Alatsinainy 18 Mey 2020

(Hoy Jesosy :) Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. Jaona 13:14-15

 

Ny tongotra efa voasasa (3)

Nanasa ny tongotry ny mpianany Jesosy, ary amin’izany dia nampiseho ohatra ho azy ireo. Koa iriny isika hianatra “hifanasa tongotra”, hitoetra ara-toe-panahy eo an-tongotry ny rahalahy sy anabavintsika.

Raha manetry tena toy izany isika, dia afaka hanampy azy ireo hikatsaka ny fahadiovana. Ary matetika izany dia fitia mifamaly. Tokony hifanao izany fihetsika izany isika ary hifampirisika hihaino ny Tenin’Andriamanitra, izay miteny amin’ny fieritreretantsika, ary manadio sy manafaka antsika.

Rehefa sasana tongotra ny olona iray avy nandeha lavitra sy sasatra namakivaky faritany mafana be, dia mahatsapa ho mangatsiatsiaka sy mahazo fampaherezana. Isika ve tsy tokony hanatanjaka ireo izay reraka, an-dalana ao amin’ny fiainana kristiana ? Fifanompoana amin’ny fitiavana izany, alohan’ny zavatra rehetra, midika fa mifampiahy isika rehetra (1 Korintiana 12:25). Koa antsoina isika hanatanteraka, amin’ny vavaka na amina teny fampaherezana, ny fampirisihana hoe : “Mifanompoa amin’ny fitiavana” (Galatiana 5:13).

Ny hoe “manasa ny tongotry” ny namana kristiana iray, dia ny manompo sy manampy azy, mba tsy hisy, ao anatiny ao, hanakantsakana ny fiombonany amin’Andriamanitra, na ny fanompoany, na ny fifandraisany amin’ny kristiana rahalahy sy anabaviny. Sarotra tanterahina izany fihetsika izany, izay aseho ho avy amin’i Jesosy Mpampianatra antsika. Mety ho voailika isika indraindray, mety tsy ho azon’ny olona… Izany anefa no tian’ny Tompo hataontsika, ary mampahery antsika Izy hoe : “Raha fantatrareo izany, dia sambatra ianareo, raha manao izany” (Jaona 13:17). Rehefa miaina eo anilany isika no ho voaomana hanatanteraka izany.