Alahady 17 Mey 2020
(Hoy Jesosy :) Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin’izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin’ny ratsy. Tsy naman’izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao. Manamasìna azy amin’ny fahamarinana ; ny teninao no fahamarinana. Jaona 17:15-17
Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy. 2 Korintiana 7:1
Nampiseho fanetren-tena ny Tompo, nanasa ny tongotry ny mpianany sy nanazava tamin’izy ireo fa nilaina izany, mba hifandray akaiky aminy hatrany ireo izay novonjeny. Ny tongotra dia mahatonga ao an-tsaina ny fandeha, ny fitondrantena isanandro. Na tsy manana fahotana manokana aza isika, dia mihasimba ny fiombonantsika amin’ny Tompo, noho ny fisarihan’izao tontolo izao, noho ny zavatra hitantsika sy rentsika. Mba hampiverina amin’ny laoniny ny fiombonana, dia tsy maintsy diovina isika ho afaka amin’ny fahalotoana ara-toe-panahy nahatapaka izany. “Ny firaisanay [na : Ny fiombonanay] dia amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany” (1 Jaona 1:3), kanefa tsy hay hatao izany raha mbola mifandray amin’ny ratsy isika ; ary raha tsy misy fiombonana, dia tsy afaka hanompo tsara ny Tompo isika.
Nandà aloha i Petera tsy hosasan’ny Tompo tongotra, saingy rehefa takany ny maha zava-dehibe izany, dia hoy izy : “Tompoko, tsy ny tongotro ihany ary, fa ny tànako sy ny lohako koa”. Nefa hoy Jesosy taminy : “Izay efa nandro tsy mila hosasana, afa-tsy ny tongotra ihany” (Jaona 13:10). Tsy hoe voasasa ara-batana no lazaina eto, fa voasasa amin’ny heviny ara-panahy. Efa voasasa tanteraka ny kristiana (1 Korintiana 6:11) rehefa nandray an’i Kristy ho Tompony, ary tsy ilaina averimberina izany. Kanefa kosa ilaina “diovina” izy, ho afaka amin’ny loto maro eo amin’ny fiainany andavanandro.
Ny Tompo dia mbola manohy mikarakara ny mpino araka izany. Ary ny famakiana ny Baiboly, izay Tenin’Andriamanitra, aseho an-tsary amin’ny rano, no manadio antsika “ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy”. Ny hafatra entiny dia mahatonga ihany koa ny fieritreretako ho mora mandray zavatra kokoa ary mitarika ahy hisoroka ny fahalotoana.