Asabotsy 16 Mey 2020
Nitsangana niala teo am-pihinanana Izy (Jesosy) ka nametraka ny lambany ary naka lamba famaohana, ka nisikinany ; ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin’ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin’ny lamba famaohana izay nisikinany. Jaona 13:4-5
Tamin’ny andro fahagola dia nandeha an-tongotra tsy nikiraro ny olona, tsy nanao kapa. Koa rehefa nasaina hisakafo ny olona, dia nisy mpanompo nanasa ny tongotr’izy ireo ; madio sy maivamaivana izy ireo, amin’izay. Fomba iray hanajan’ny tompon-trano ny vahininy izany.
Tamin’ny sakafo farany niarahan’i Jesosy tamin’ny mpianany, dia tsy nisy nanao izany fihetsika izany. Koa nitsangana Jesosy, teo am-pisakafoanana, ka nanao ny fitafiana mpanompo (nisikina lamba) ary nanasa ny tongotry ny mpianany. Fahatsiarovana toa inona moa no horaiketiny ao an-tsain’izy ireo, amin’izany ! Izy, Ilay Mpampianatra, no nankeo an-tongotr’izy ireo, nefa araka ny mahazatra dia mpanompo na andevo no mpanatanteraka izany fihetsika izany.
Amin’izany ohatra izany ny Tompo dia mampianatra antsika fa ao amin’ny fanetren-tena no misy ny tena fahalehibeazana. Tany aloha Izy dia efa niteny tamin’ny mpianany hoe : “Izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo. Fa izay manandra-tena no haetry ; ary izay manetry tena no hasandratra” (Matio 23:11-12).
Petera, iray tamin’ireo mpianatra, dia tsy mba nety hosasan’ny Mpampianatra tongotra, satria nahatsapa ny tsy fahamendrehany sy ny fahalehibeazan’i Jesosy. Nefa nisisika ny Tompo, niteny taminy hoe : “Raha tsy hosasako ianao, dia tsy manana anjara amiko”. Ny hoe manana anjara amin’ny Tompo, dia ny mifanakalo hevitra sy mifampizara fitiavana aminy ; izany no fanehoana ny hoe fiombonana. Tamin’io teny navaliny an’i Petera io Jesosy no nampiseho fa tsy afaka manana fiombonana aminy isika, raha tsy manaiky hosasana tongotra, raha tsy manaiky hodiovina ara-toe-panahy.