Zoma 15 Mey 2020
Aloka tokoa no fandehandehan’ny olona ; zava-poana tokoa no itabatabany. Salamo 39:6
(Hoy Jesosy :) Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Marka 13:31
Nambaran’ny fampielezam-peo androany maraina fa nisy hafatra nalefa efa folo taona mahery lasa izao, mbola miparitaka any amin’ny tambazotran-tserasera, mandraka ankehitriny. Io dia iantsoana ny olona manana sokajin-dra voafaritra iray, mba hamaly izany antso izany, hamonjena ankizivavy kely iray voan’ny homamiadan’ny ra. Roa volana no fetra lavitra indrindra nomena tamin’izany ! Amin’ireo zavatra rehetra hita ao amin’ny Internet, inona no marina ? na honohono, na fanodinkodinan-tsaina, na koa vaovao tsy marina na efa lany andro ? Hatramin'ny naha tany ny tany no efa niezahana hatrany ny hanafina vaovao sasantsasany na hampiely vaovao hosoka, fa ankehitriny dia tena manamora fatratra ny fanaovana izany ny fitaovana ara-teknika !
Aiza no hahitana teny miorina tsara, maharitra, mampitony ? Ny Baiboly, ilay “tenin’Andriamanitra izay velona sady maharitra” (1 Petera 1:23), dia manome vaovao iankinana aina sy azo antoka, ho an’izay mamaky azy. Ny Baiboly dia fitambarana boky 66, nosoratan’olona sahabo ho efapolo, nandritra ny 1600 taona teo ho eo. Samy tsindrimandry avy amin’Andriamanitra avokoa no nanoratan’izy ireo, ary tsy misy toa azy ny firindran’ireo boky voasoratra. Sahaza ny andro ankehitriny ny Baiboly, toy ny tamin’ny andro nahavitana ny toko farany. Ny Baiboly dia manoritsoritra ny endriky ny olona, araka izay maha izy azy, fa tsy amboamboarina. Hazavainy ny loharano nipoiran’ny olona, ny zava-manahirana azy, ny hiafarany. Fa indrindra koa, ambarany ny hafatra fototra nomen’Andriamanitra, ny vaovao mahafaly milaza ny fitiavany, voafintina ao amin’ny andinin-tSoratra Masina hoe : “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Mahakasika anao izany vaovao izany, ka aza avela handalo fotsiny !