Alakamisy 14 Mey 2020

Nanony ny rivotra mahery Izy, ka nitsahatra ny onjan-drano. Dia faly ireo, satria nitsahatra izany ; ary nentiny ho amin’ny fitodiana niriny izy. Aoka hidera an’i Jehovah ireo noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ny zanak’olombelona. Salamo 107:29-31

 

Mba tsy ho rendrika

Tsy afaka mandroso ny sambo lay raha tsy mivelatra ny lay. Na tsy mivelatra aza anefa izy, dia tsy mampihena ny herin’ny rivotra izany. Ny finoana dia tahaka ny lay ; taomina ny olona hamelatra azy, mba handray ny tsiokan’ny fahasoavan’Andriamanitra.

——————————

Ara-dalàna raha eny ambony rano ny sambo, fa tandindomin-doza kosa izy ary ho rendrika, raha miditra ao sy mameno azy ny rano. Dia toy izany koa, ara-dalàna raha eto amin’izao tontolo izao ny kristiana, nefa tandindomin-doza ny fiainam-panahiny, raha miditra ao anatiny izao tontolo izao, mba haka ny fony.

——————————

Tsy hay atao ny miaina tsy misy rano. Nefa maty ny olona raha safotry ny rano, satria tsy mahazo oksizenina. Dia toy izany koa, ilaina ny mampiasa ireo loharanon-kery mahasoa ny fiainana eto amin’izao tontolo izao. Andriamanitra anefa nametraka antsika eto amin’izao tontolo izao, tsy hoe mba hahasafotra antsika ao anatiny, na mba hanorenantsika toerana ao, na koa mba ho andevon’ny fahafinaretana atolony isika. Mifanohitra amin’izany aza, fa ny kristiana dia toy ny vatolampy misongadina eo amin’ny rano, mijoro noho ny finoana sy noho ny vavaka, izay fisefoan’ny fanahy.

——————————

Ny sambo tsy misy familiana na tondroavaratra dia tsy maintsy hihitsoka any ho any, na ho ela na ho haingana. Ny tondroavaratra no mamaritra ny fitodika, ary ny familiana no ampiasaina, hanarahana io fitodika io. Ny Tenin’Andriamanitra no mamaritra ny fitodiky ny kristiana, ary ny Fanahy Masina no mitarika azy eo anivon’ireo onja sy riaka.