Alarobia 13 Mey 2020

Mijanòna kely ianao, hilazako ny tenin’Andriamanitra. 1 Samoela 9:27

Izao no andro hitadiavana an’i Jehovah. Hosea 10:12

Mampianara anay hanisa ny andronay, hahazoanay fo hendry. Salamo 90:12

 

Tsy manam-potoana !

Mahavariana izao vanimpotoana iainantsika izao ! Ny fandrosoana ara-teknika eo amin’ny sehatra rehetra dia mahatonga antsika hahomby kokoa hatrany sy hahay mitsitsy fotoana. Ny haino aman-jery mbamin’ny fitaovam-pifandraisana, solosaina, milina isan-karazany, dia nampitsimbadika ny fiainantsika arak’asa na ara-pianakaviana, ny fifandraisana, ny fivezivezena. Mandeha haingana kokoa hatrany ny zavatra rehetra, nefa dia mitaraina ho tsy manam-potoana ny tsirairay.

Nefa mba voaisantsika ve ny fotoana lanintsika ankehitriny eo anoloan’ireny fitaovana samihafa ireny ?

Ny fiainam-pianakaviana ve tsy miha voabahan’ireo fihetsiketsehana tsy tambo isaina ataon’ny ray aman-dreny sy ataon’ny zanaka ?

Aza manaiky ho tototr’ireny feo sy sary mitazona saina sy mandany fotoana ireny. Miatoa ankehitriny, mba hamaky na hihaino ny Tenin’Andriamanitra. Miteny amintsika Andriamanitra, amin’ny alalan’ny Baiboly, na fomba inona na fomba inona iraketana azy, na an-tsoratra na am-bava. Marina ny Tenin’Andriamanitra, azo antoka, ary tokana aman-tany, mampiharihary ny ratsy ao anatin’ny fon’ny olona rehetra ary milaza mazava ny vokatr’izany.

Nefa raha inoantsika io Teny velona io, dia te hampahafantatra antsika ny fomba hahazoana fahafahana sy handraisana fo hendry. Ny fahendren’Andriamanitra dia naseho tao amin’i Jesosy, Izay nirahiny ho atỳ amintsika. Izy no ilaina ho fantatra sy hinoana ankehitriny, mba hahazoana ny fiainana mandrakizay.