Talata 12 Mey 2020

Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy (Andriamanitra) ka mamela ny fahotantsika. 1 Jaona 1:9

 

Fanasana

 

Mankanesa eo amin’Ilay mamela heloka,

Avia, ianareo izay very fanantenana ;

Ho an’ny ory no nanolorany ny tenany,

Te hamonjy ny olom-bery rehetra Izy.

Ny rany nalatsaka ho an’izao tontolo izao

No hany afaka mamafa sy manadio

Io fahotana tsy hain’ny ranomasina lalina

Sasana na saronana io.

 

Mankanesa eo amin’Ilay manarina,

Avia, ianareo izay latsaka ambany dia ambany ;

Raha heverinao ho nofinofy ny famonjena,

Dia aminao indrindra no anatsorany sandry.

Ilay vehivavy mpanota nitomany

Dia nomeny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra,

Ilay jiolahy teo ambavahoana

Dia tsy niala maina raha nitalaho.

 

Mankanesa eo amin’Ilay mampionona,

Avia ! fa fantany ny fangirifirianao,

Hainy, amin’ny alalan’ny teniny masina,

Ny manalefaka na mamafa tomany.

Fantany ireo tebiteby rehetra manjo antsika,

Satria Izy efa nijaly voalohany.

Toy ny efa nahalatsa-dranomaso Azy,

Dia hainy koa ny mamafa ireny.

 

E. Henchoz