Alatsinainy 11 Mey 2020

Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko. Romana 7:18

(Hoy Jesosy :) Tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka. Lioka 5:32

 

Ny fon’ny zanak’olombelona

Tsy dia mampitombin-tsaina loatra ny zava-mitranga isanandro. Toa miha mahazo vahana kokoa hatrany ny zava-mahatsiravina sy fahavetavetana taterin’ny haino aman-jery. Ireo fihetsiketsehana maro atao ampahibemaso, ny fanaovana diabe sy filaharana, mba hanamelohana zava-mitranga mahatsiravina toy izatsy na izaroa, dia maneho finiavana hanakana ny faharatsiana mihamitombo hatrany. Saingy zava-poana ihany ny manantena hampihena ny faharatsiana manenika izao tontolo izao, raha manilika an’Andriamanitra.

Aza mamita-tena, fa ao anaty fon’ny zanak’olombelona ny fototry ny zavatra rehetra mendrika hotsinìna sy ny heloka bevava rehetra. Ambaran’ny Baiboly fa io fo io dia “mamitaka ... sady manana aretina tsy azo sitranina” (Jeremia 17:9) : tsy afaka manova na inona na inona amin’izany isika. Na mendri-piderana aza ny fikasantsika, matetika, dia mitoetra ao anatin’ny olona tsirairay ihany ny fironana hanao ratsy. Hamafisin’ny Baiboly fa mitoetra ao anatintsika tsirairay io fironana io, toy ny itoerany ao anatin’ny olon-dratsy sy ny mpanao heloka bevava mahavanon-doza indrindra. Amin’Andriamanitra dia “tsy misy marina na dia iray akory aza…” (Romana 3:10). Na dia tsy nanao zavatra mahameloka eo amin’ny fiarahamonina aza isika, dia mila afahana amin’izany toetra maha mpanota izany, mba hanana fiadanam-po sy ho afaka manao izay tian’Andriamanitra. Andriamanitra dia fitiavana, ary “raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jaona 1:9). Nanolotra ny ainy Jesosy Kristy, nohelohina nisolo toerana antsika. Ny atao hoe mino Azy, dia mandray sy manaiky izany hafatra izany !