Alahady 10 Mey 2020
(Hoy Mosesy tamin’Andriamanitra :) Mba ampahitao ny voninahitrao aho... Ary hoy koa Izy (Andriamanitra) : Tsy mahazo mahita ny tavako ianao ; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona. Eksodosy 33:18, 20
(Hoy Jesosy :) Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray. Jaona 14:9
— Raha mahita an’Andriamanitra aho, dia hino Azy.
— Jereo aloha ny masoandro, hoy ny navaly io olona io.
— Tsy afaka mijery azy aho, mamiratra loatra izy, ka ho jamba eo aho !
— Raha tsy zakanao ny mijery ny masoandro, zavaboarin’Andriamanitra, ahoana no hahazakanao mijery an’Andriamanitra Izy tenany mihitsy ?
Nangataka tamin’Andriamanitra i Mosesy hoe : “Mba ampahitao ny voninahitrao aho”. Dia namaly azy Andriamanitra hoe : “Tsy mahazo mahita ny tavako ianao ; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona”. Noho ny famindrampony anefa, dia niseho kely tamin’i Mosesy ihany Andriamanitra. Izy Andriamanitra mihitsy no nanafina an’i Mosesy teo an-tsefaka harambato iray, ary nandalo tao amin’ny fahalehibeazany feno, ka tsy ny tavany no hitan’i Mosesy, fa ny vohony.
Inona no dikan’izany ? Tsy afaka mahita an’Andriamanitra ao amin’ny voninahiny isika. Imbetsaka ao amin’ny Baiboly no nisy olona nahatsapa ny fanatrehan’Andriamanitra, ka nahatsiaro fa very (ohatra, Isaia 6:1-5), tsy misy fanantenana ho voavonjy intsony. Nefa azo lazaina hoe hay “afenina ao an-tsefaky ny harambato” isika. Iza moa Ilay harambato ? Ny Tompo, Ilay “Vatolampy mandrakizay” (Isaia 26:4).
Andriamanitra dia fanahy, tsy hita maso Izy, ary “mitoetra eo amin’ny mazava tsy azo hatonina” (Timoty 6:16). Tsy afaka mahita maso Azy isika, nefa afaka mahafantatra Azy rehefa mandray izay nampitainy tamintsika. Hoy Jesosy : “Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray”. Ao amin’i Jesosy isika dia afaka mahita ireo toetran’Andriamanitra rehetra, anisan’ireny ny fahamarinany, ny fitiavany, ary ny fahatsarampony. Manatona antsika Izy, mitady izay mahasoa antsika, ary manolo-tanana antsika.