Asabotsy 9 Mey 2020
Ary hoy ny Apostoly tamin’ny Tompo : Ampitomboy ny finoanay. Lioka 17:5
Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa. 2 Tesaloniana 3:13
Teny an-dalana niaraka tamin’ireo mpianatra hafa i Petera no nanontany an’i Jesosy hoe : “Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko, ka havelako izy ? Hatramin’ny impito va ? Fa hoy Jesosy taminy : Tsy lazaiko aminao hoe : Hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo” (Matio 18:21-22). Nisy fotoana hafa ihany koa, nilazan’i Jesosy tamin’izy ireo hoe : “Raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony. Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe : Mibebaka aho, dia mamelà ny helony” (Lioka 17:3, 4).
Mba mankanesa anie eo amin’ny toeran’ireo mpianatra e ! Manisy ratsy ahy ny rahalahiko, ary mangataka famelana amiko, dia mamela azy aho. Mbola mamerina ihany izy, dia mamela azy aho. Mbola mamerina indray izy… Mba diso tafahoatra kosa izany ka !
Nefa nanoloana ny valintenin’i Jesosy, dia tsara fihetsika ny mpianatra : nangataka finoana bebe kokoa izy ireo, mba hananany faharetana sy fitiavana toy izany, satria ny finoana irery ihany no afaka hanampy antsika amin’izany. Niteny tokoa mantsy ny Tompo Jesosy hoe ny finoana no ahafahana manatanteraka izay tsy hay tanterahina : “Raha manana finoana na dia ohatra ny voantsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin’io voaroihazo io hoe : Miongota, ary aoka hambolena ao anatin’ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy” (Lioka 17:6).
Hudson Taylor, misionera tany Chine tamin’ny taonjato faha-19, dia niaina ny herin’ny finoana. Hoy nefa izy, mikasika io andinin-tSoratra Masina io : “Tsy finoana lehibe no ilaintsika, fa Andriamanitra lehibe”.
Io Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy (Titosy 2:13) io koa ve no Andriamanitrao ?