Zoma 8 Mey 2020

Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony (fa sarotra avotra ny ainy, ka tsy azo atao mandrakizay). Salamo 49:7-8

(Hoy Jesosy :) Izaho hanome maimaimpoana amin’ny loharanon’ny ranon’aina ho an’izay mangetaheta. Apokalypsy 21:6

 

Potlatch

Any amin’ny faritra maro eto amin’izao tontolo izao dia misy fombam-piarahamonina iray antsoin’ny mpahay olombelona hoe “potlatch”, avy amina teny midika hoe “manome”. Io fomba io dia fifanakalozana fanomezana, tokony hanoloran’ny tsirairay fanomezana mitovy sanda amin’izay noraisiny, fara faha keliny, fa raha tsy izany dia afa-baraka izy. Raha tsy mandinika ny sasantsasany amin’ireo zavatra fanaontsika isika, dia mety hihevitra hoe tsy mba fomba ao amin’ny kolontsaintsika izany. Noho ny fahalalam-pomba, dia tsy mandeha tanam-polo rehefa asaina ; ary rehefa nasain’olona dia mba manasa azy koa ; fanao amin’ny taombaovao ny mifanakalo fanomezana ; ny fanampiana iray atao amin’ny tena dia mitaky fanampiana izay nanao izany… Raha atao bango tokana, dia hoe tsy misy fanomezana raisina ka tsy anolorana tambiny.

Fa tsy mba toy izany kosa, amin’Andriamanitra : nomeny antsika ny Zanany, koa inona no ho azontsika omena Azy, hoe mitovy sanda amin’izany ? Tokony horaisintsika tsotra fotsiny ny fanomezana atolony, satria raha manolotra takalon’izany isika, dia mampiseho fa tsy mankasitraka ny tena hasarobidin’io fanomezana io. Ny mandray ny fanomezana atolotr’Andriamanitra, dia midika ihany koa fa manaiky ny maha isika antsika eo anatrehany, izany hoe mpanota. Mba hanadiovana antsika ho afaka amin’ny fahotantsika, dia nilaina mihitsy ny ain’ny Zanak’Andriamanitra : fanomezana goavana, nefa tsy maintsy natao. Inona no havaly Azy ? Tsotra fotsiny, ny fankasitrahantsika, izay hitarika antsika hiaina araka ny tiany hataon’ny zanany. Fa na oviana na oviana isika tsy afaka “hanonitra” ny famonjena antsika amina fiainana maneho toe-panahy araka an’Andriamanitra, manaraka fitsipi-pitondrantena, manaja ny fiarahamonina sy ny olon-kafa. Maimaimpoana ny fanomezan’Andriamanitra, fa tsy trosa tsy maintsy haloantsika tsy akory. Aoka horaisina tsotra fotsiny !