Alakamisy 7 Mey 2020
(Hoy Jesosy :) Raha maharitra amin’ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa ; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo... Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. Jaona 8:31, 32, 36
Tian’ny olona ny mihevi-tena ho mahaleo tena, mihevi-tena ho olona afaka. Heveriny fa afaka manao izay tiany hatao izy, afaka mandeha any amin’izay tiany haleha, afaka miteny izay tiany hotenenina. Tsaroana ilay fiteny manaitra hoe : “Rarana ny mandrara !”, toy ny hoe ampy izany fiteny izany hahatonga ireo izay namorona izany ho olona afaka ! Ny olona anefa dia mitoetra ho andevon’ny firehetam-pony, andevon’ny faniriany tsy hay fefena, andevon’ny avonavony tsy hay sitranina ! Mitoetra ho andevo izy, kanefa tsy mahatsapa izany akory, ka dia voafitaky ny tenany ihany. Ohatra, ny fijangajangana ao anatin’ny tokantrano dia raisina ho loharanom-pivelarana ; ny fanevatevana, ho fahalalahana miteny ; ny herisetra, ho fiarovan-tena ara-drariny ; ny fametsifetsena, ho rariny raha ampiharina amin’ny mpanankarena ; ary ny maro hafa koa.
Tao ambanin’izany fanandevozan’ny lainga izany no nahitan’Andriamanitra antsika. Nanatona antsika Izy, tao amin’i Jesosy Kristy, mba hanafaka antsika amin’izany. Izay mandray an’i Jesosy ao anatin’ny fony, satria mino Azy sy ny sorona nataony, dia tsy mihevi-tena ho zavatra intsony, ary mandray aina vaovao. Dia hitany fa hay tanterahina ny ampianarin’ny Baiboly, hay tanterahina amin’ny fo sy am-pifaliana, tsy am-pimonomononana na am-pangidiana. Izany no tena fahafahana marina aroso ho antsika.
Jesosy Kristy, Ilay hany tsy nanao afa-tsy ny tsara, dia niaina tao anaty fahafahana tanteraka. An-tsitrapo no nanompoany tsy an-kiato ny hafa sy nanolorany ny ainy. Nataony izany, satria tiany isika ary tiany ny Rainy, mba hanafahany antsika tsy hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra noho ireo asa ratsy vitantsika. Nanokatra lalam-pahafahana ho antsika Izy, hahazoantsika manatanteraka tsy an-tery izay mahafaly an’Andriamanitra.