Alarobia 6 Mey 2020
Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga. Joba 36:5
(Hoy Jesosy :) Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Jaona 6:37
« Nampahafantatra ahy ny Baiboly ireto namako vaovao. Tamin’ny voalohany ny Baiboly dia noraisiko fotsiny ho fomba tsara hahaizako kokoa ny teny anglisy. Nefa dia tena gaga aho, fa hitako tao ny valin’ireo fanontaniana napetrako tamin’ny tenako. Niaina tao anatin’ny fitiavana sy ny fiadanana i Jack sy Carol, satria nanana hery tao anatiny. Ary io hery io dia ny herin’i Jesosy Kristy.
Indray hariva, raha niara-nandinika ny Baiboly izahay, dia namaky izao teny izao aho : “Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko” (Apokalypsy 3:20). Nakimpiko ny masoko, ary tsapako ny fanatrehan’i Jesosy. Afaka nandre ny feony aho ! Koa dia nangatahiko Jesosy hiditra eo amin’ny fiainako. Rehefa nandray ny fitiavan’i Kristy aho, dia nahatsapa ny tenako ho madio, mahery, faly, ary nahafantatra fa fiainam-baovao no nanomboka ho ahy. Manana fiadanam-po aho ankehitriny. Tsy very intsony aho.
Ary ianao ? Ianao ve mba miadana am-po ? Afaka mandray an’i Kristy dieny ankehitriny ianao amin’ny alalan’ny finoana, amin’ny fivavahana. Ny hoe mivavaka dia miresaka tsotra fotsiny amin’Andriamanitra. Mahafantatra anao Izy, ary mijery kokoa ny ao anatin’ny fonao noho ny teny izay lazainao. Indro misy vavaka atolotro mba hataonao : Tompo Jesosy ô, te hahafantatra Anao manokana aho. Misaotra, satria maty teo amin’ny hazofijaliana Ianao, noho ireo fahotako. Vohaiko mba hidiranao ny varavaran’ny fiainako, ary raisiko ho Mpamonjiko sy Tompoko Ianao. »
Winnie Weil Li