Talata 5 Mey 2020

Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana, ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be. 1 Timoty 6:10

 

Nahatsiaro tena ho sasatra sy nanjenjena aho (1)

« Teraka tany Chine aho. Nobeazina tao anatin’ny fotokevitra marksista aho, nefa tsy nino izany mihitsy. Ny filamatro mantsy, dia hoe : « Tsy afaka mitoky afa-tsy amin’ny tena ». Tsy mba mora ny fiainana any Chine. Niasa mafy ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviako, nanantena hoavy tsaratsara kokoa.

Taorianan’ny fianarako teny amin’ny Oniversite, dia nahazo asa tsara aho. Ho an’ny olona maro, dia ny vola no nanjary zava-dehibe indrindra. Ny manankarena dia nanao tsinontsinona ny mahantra ; ary ny matanjaka, nanararaotra ny osa. Indray andro aho dia nahatsapa fa nanjary toy ireny mpanankarena ireny. Dia iny aho fa nanomboka nankahala ny tenako.

Nahatsiaro tena ho sasatra sy nanjenjena aho. Fa tsy mba afaka miaina am-piadanana amin’ny fo madio ve ny olona e ? Tsy mba afaka mifankatia ve ? Toa mora tenenina izany, nefa fantatro fa mila hery manokana mba hahatanteraka izany. Ary tsy nananako io hery io. Zavatra maro no nampanontany tena ahy, nefa tsy nahitako valiny.

Nifindra monina tany Canada izaho sy ny vadiko, tamin’ny taona 2001. Sendra namana vaovao izahay, dia i Jack sy Carol. Vao nifanena tamin’izy mivady aho dia nahazo aina avy hatrany, niaraka taminy, toy ny hoe efa nifankahalala hatry ny ela izahay. Arakaraka ny nampanjary nifanakaiky anay no nahagaga ahy kokoa, tamin’izy ireo. Tena niaina tam-pahatsorana izy ireo, sady be fitiavana aoka izany ! Hita teny amin’ny endrik’izy ireo ny fiadanana sy ny fahasambarana. Ahoana re no ataony mba hiainany toy izany ? Naniry aho hahafantatra ny tsiambaratelon’io fiadanana sy fahasambarana io. »

(hitohy)