Alatsinainy 4 Mey 2020
Ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra. Romana 8:28
Hisy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra. Mpitoriteny 8:12
Rehefa mandalo fotoan-tsarotra isika, dia mety “hikombona”, miandry andro tsaratsara kokoa. Tsy maniry ireny fotoana andalovantsika fitsapana ireny isika, nefa dia avelan’Andriamanitra izy ireny hitranga eo amin’ny fiainantsika, mba hampianarany antsika lesona tsy ho azontsika amina fomba hafa. Ohatra, ahoana no hahafahantsika mahatsapa ny fampiononany, raha tsy malahelo mihitsy isika ?
Ny Tompo Jesosy dia nampanantena ho an’ireo olona navotany, ny fiadanana manome fitsaharana ho an’ny fieritreretana (Jaona 14:27), sy ny fiadanan’ny fo rehefa manaiky ny sitrapony, na inona izany na inona. Rehefa matoky ny Tompo Jesosy isika, dia afaka mihevitra ny andro rehetra, na mora na sarotra, ho fanomezana vaovao avy aminy, ho fotoana vaovao hohararaotina hahafantarana Azy ho Ilay te hiombona fifaliana na alahelo amintsika. Ao ambadiky ny toejavatra tsirairay miseho eo amin’ny fiainantsika, dia aoka isika hiezaka hahita ny tanam-pitiavan’Ilay Andriamanitsika, sy hahatakatra ny tanjony.
Ao amin’ny Filazantsara Jesosy dia mampitaha ny iray amin’ireo asan’ny Rainy ho an’ny zanany amin’ny asan’ny mpikarakara voaloboka mandrantsana ny sampany (Jaona 15:1-8). Mety maharary ny fiketoky ny hetin-jaridaina, nefa ny tanjony mandrakariva dia ny hampahatanjaka kokoa ny foto-boaloboka, mba hamoazany bebe kokoa. Tsy avelan’Andriamanitra hihatra amin’ny zanany, raha fijaliana tsy ilaina. Tsia, fa manana ny antony ilàna azy ny fijaliana tsirairay, satria “tsy sitrany ny mampahory na mampalahelo ny zanak’olombelona” (Fitomaniana 3:33) : tia antsika mantsy Izy !