Alahady 3 Mey 2020

Fa tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. 2 Timoty 1:7

Mba tsy hiorenan’ny finoanareo amin’ny fahendren’ny olona, fa amin’ny herin’Andriamanitra ihany. 1 Korintiana 2:5

 

Eo am-pelatanantsika ny hery

Ilay tohodrano (karazana fefiloha) ao Grande Dixence, any amin’ny tandavan-tendrombohitra Alpes suisses, dia avo 285 metatra, ary matevina 200 metatra eny amin’ny fotony. Ahafahana manangona rano be izy io : 400 tapitrisa metatra toratelo, avy amina tambongan-dranomandry miisa 35 ! Taona vitsivitsy lasa izay, dia izy no namokatra ny ampahadimin’ny angovo ilaina any Suisse : loharanon’angovo tsy hita noanoa izany ! Rehefa nitsidika io tohodrano io aho, dia lasa fisainana hoe : nefa tsy ho voavadiky ny môtera ho angovo izao rano be izao, raha tsy vohaina aloha ireo vavahadin-drano.

Io fotodrafitr’asa tsy fahita firy io dia nampieritreritra ahy ny herin’Andriamanitra, izay azon’ny kristiana ampiasaina mandrakariva. Saingy tsy maintsy vohaintsika aloha ireo "vavahadin-drano", mba hialan’ireo sakantsakana izay matetika loatra no mampalemy antsika. Maro ireo sakana ireo, anisan’izany ny fieritreretana tsy mandry. Masina mantsy Andriamanitra, ka tsy hampiseho amintsika ny fitahiany sy ny heriny, raha toa isika mandefitra amin’ny ratsy (lainga, avonavona, fitondrantena vetaveta, sns.) eo amin’ny fiainantsika.

Mety ho voafetra ihany koa ny herin’Andriamanitra, raha ny tenako no ataoko ivon’ny zava-drehetra. Tsy homen’Andriamanitra mba hampiasaintsika ny heriny, hanomezana fahafaham-po ny fitiavan-tenantsika. Koa aoka àry isika hanome an’i Jesosy Kristy ny toerana voalohany, aoka hihevitra ny tombontsoany, ary aoka hiaina mba ho Azy sy hanompo ny hafa. Dia hifanaraka kokoa amin’ny sitrapony ny zavatra andrasantsika, hanan-kery kokoa ny vavaka ataontsika, ary ho hitantsika ny heriny miasa.

Ary aza heverina ho sakana ny tsy fananantsika fahaiza-manao ; aoka aza isika ho tonga saina hoe kely hery, mba ho afaka miteny toy ny apostoly Paoly hoe : “Ny fahalemeko no fahatanjahako” (2 Korintiana 12:10).