Asabotsy 2 Mey 2020

Fa ny marina, matoky na dia mby ao amin’ny fahafatesana aza. Ohabolana 14:32

Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho. Salamo 16:1

 

Ny fatokian’i Jesosy

Fony tonga tetỳ an-tany Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia niaina tahaka ny olombelona. Ary natoky tanteraka an’Andriamanitra Izy, tao anatin’izany toetra maha olombelona noraisiny an-tsitrapo izany. Ilay olona voalohany, i Adama, dia nisalasala ny amin’Andriamanitra, fa ny fatokian’i Jesosy kosa dia feno sy tsy nisy lesoka, hatramin’ny fahafatesany, ho voninahitr’Ilay Andriamaniny.

Jesosy dia nametraka ny fitokisany :

tamin’ny herin’Andriamanitra : Nanambara tamin’ny mpianany Izy hoe : “Ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra”, ary nampahery azy ireo hoe : “Manàna finoana an’Andriamanitra”. Tany Getsemane, talohan’ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana, dia henontsika Izy nivavaka hoe : “Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao” (Marka 10:27 ; 11:22 ; 14:36) ;

tamin’ny fahendren’Andriamanitra : Momba ny sorona hataony ka hanolorany ny ainy, dia nametraka ny fitokisany tamin’ny fahendren’ny Rainy Izy, ary niteny hoe : “Raiko ô… aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao... aoka ny sitraponao no hatao” (Matio 26:39, 42) ;

tamin’ny fitiavan’Andriamanitra : Nivavaka tamin’ny Rainy Izy hoe : “Ianao… efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy… Efa tia Ahy Ianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao… mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy” (Jaona 17:23-26). Io fitiavan’ny Rainy io no fifaliana, hery ary tohana ho Azy, tao anatin’ireo fijaliana rehetra nianjady taminy, nandritra ny fiainany teto an-tany.

Nasehon’i Jesosy antsika fa mendrika hitokisana tanteraka Andriamanitra. Ary Andriamanitra nanangana Azy ho velona indray sy nanome voninahitra Azy.

Ry kristiana, aoka isika hanaraka ny ohatra nasehon’i Kristy, ary tsy hisalasala na oviana na oviana ny amin’ny hery sy fahendrena ary fitiavan’Ilay Andriamanitsika. Izany no fomba tsara indrindra hanaovana izay mahafaly Azy.