Zoma 1 Mey 2020

Ary nisy anankiray teo amin’ny vahoaka nanao tamin’i Jesosy hoe : Mpampianatra ô, teneno ny rahalahiko mba hizara lova amiko. Fa hoy Izy taminy : Ralehilahy, iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo ? Ary hoy Izy tamin’ny olona : Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon’ny fieremana ianareo. Lioka 12:13-15

 

Tsy rariny ara-piarahamonina

Mbola anton-dresaka mandraka ankehitriny ny momba ny fitsinjarana ny harena. Olana lehibe tsy misy fitsaharany io, na eo amin’ny mpianakavy, na eo amin’ireo sokajy samihafa ao amin’ny fiarahamonina, na eo amin’ny mponin’izao planeta izao. Nefa anjarantsika kristiana ve ny momba ny atsy na ny aroa, ao amin’izany fifaninanana hampitombo ny anjaran’ny tsirairay izany ?

Ankehitriny dia ho izao angamba no angatahina amin’ny Tompo : “Ry Tompo, hitanao io mpifanolo-bodirindrina amiko io, miaina anaty fananam-be ; mba asaivo mizara kely amiko anie izy e !”. Nefa tsy hiova ny valintenin’ny Tompo : “Iza no nanendry Ahy ho mpitsara na mpizara ao aminareo ?”

Midika ve izany fa mankasitraka ny tsy rariny ny Tompo ? Tsia dia tsia, nefa amin’izao fotoana izao aloha, dia tsy tanjony ny hametraka ny fahamarinana eto amin’ity tany tsy mila Azy ity. Tsy tonga mba hitsara Jesosy, fa mba hamonjy. Fa rehefa ho avy kosa Izy amin’ny maha “mpitsara ny velona sy ny maty” Azy, iza no ho afaka mitsoaka ? Ankehitriny no fotoana tandrify hihainoana ny antsony sy handraisana ny fahasoavany.

Na dia manana ny zavatra rehetra aza Jesosy, dia tonga teto an-tany niaina tao anaty fahantrana, mba hampanankarena antsika ny fahantrany (2 Korintiana 8:9). Hampanankarena amin’ny harena inona moa ? Omeny maimaimpoana ho an’izay mino Azy ny famelan-keloka sy ny fiainana mandrakizay. Ny harena be ananan’ny mpino dia ny fahafantarany ny Tompo Jesosy.