Alakamisy 30 Avrily 2020
Izao zavatra ary rehetra izao aza dia hovotsorana amin’ny fahandevozana, dia ny fahalovana, ho amin’ny fahafahana izay momba ny voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra. Fa fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary toy izay efa hiteraka mandraka ankehitriny. Romana 8:21-22
Hita eny rehetra eny ny fandotoana ny tontolo iainana, ary tsapantsika isanandro izany. Ny mpahay siansa dia manambara, miaraka amina sary manaporofo izany, fa miroso ho amina fahasahiranana maro ny olombelona, ary angamba mizotra ho amin’ny fahapotehany mihitsy aza. Mifandimby ny famelabelaran-kevitra iraisam-pirenena, tetikasa goavana no volavolaina, nefa toa tsy ho voasakana intsony ny fihasimbana. Takatry ny saina amin’izany ny hoe “misento” ny tany…
Inona no hatao ? Tokony hotsarovan’ny kristiana fa “mpivahiny” izy, mpandalo ihany eto an-tany. Mamakivaky tontolo mijaly noho ny vokatry ny ota izy, ary tena malahelo noho izany manjo ny tontolo izany. Ny asa lehibe indrindra tokony hataon’ny kristiana dia ny mitory ny Filazantsara sy mampahafantatra an’i Kristy amin’ny olona rehetra. Avy eo dia Izy Kristy no manofana azy ireo ho tonga mpianany (Matio 28:18-20). Jesosy Kristy irery ihany no mahay manova fiainan’olona, sy manome antsika fanantenana mihoatra noho ny fiainantsika eto an-tany, izay tsy inona fa hoavy sy fanantenana ho amin’ny lanitra, satria ho avy Izy haka ireo izay mino Azy.
Andriamanitra no namorona ny voary mba ho sehatry ny fiainan’ny olombelona. Tokony ho tonga saina ny amin’izany izy ireo, ka hanaja sy hitantana tsara izao voary izao, araka izay tandrify ny tsirairay.
Tsy mitebiteby na kivy ny kristiana, satria ny Tompo Jesosy, Izay tompon’izao planeta misy antsika izao, dia ho avy indray mba haka azy ireo ho any an-danitra. Ary any aoriana Izy dia hametraka eto an-tany, fanjakana mitondra fiadanana sy miroborobo. Hihavao indray ny voary, ary hihira am-pifaliana sy hidera ny Tompo (Salamo 96:12). “Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah ! Haleloia ! (Salamo 150:6).