Alarobia 29 Avrily 2020

Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra. Efesiana 2:8

 

Amin’ny finoana sa amin’ny asa ?

Nitsangantsangana tany an’ala aho indray andro, ary nifanena tamina lehilahy antitra iray niteny tamiko hoe :

— Mampitolagaga tokoa ny voary ! Hoy aho namaly :

— Eny, lehibe sy mahagaga Ilay Andriamanitsika, ary mbola manome antsika izao fahasoavana hiaina izao koa.

— E ! Efa akaikikaiky kokoa ny farany aho, noho ianao… Nefa manantena aho fa ho be indrafo amiko Andriamanitra… Izaho koa anie efa nandritra ny taona maro no nanatanteraka asa tao amin’ny fiangonako e !

— Heverinao ve fa avy amin’izany no hahazoanao ny famindrampon’Andriamanitra, sy hahafahanao mijoro eo anatrehany ? Tsy ampy ho amin’izany ny asantsika…

— E ! ahoana hoe ?

— Izany mihitsy ka, ny fahamarinan’i Kristy irery no hany afaka mamoha ny varavaran’ny lanitra ho antsika. Ary io fahamarinana io dia omena ireo rehetra mino ny lanjan’ny sorona nataony.

Niova ny fihetsik’ilay olona niresaka tamiko. Ary rehefa nanampy aho hoe : — Na olona tahaka an’i Albert Schweitzer aza, ilay dokotera tany anaty ala mikitroka tany Lambaréné, dia ho very raha tsy nisy an’i Jesosy Kristy… Koa dia entim-po izy namaly hoe :

— Ny olona nanao soa betsaka toa azy dia tsy mila fanavotana. Efa azony ny toerany any an-danitra.

Nanisika trakta ara-pilazantsara haingana teny an-tanany aho, dia lasa izy, tsy faly.

Enim-bolana taorianan’izany, dia nisy lehilahy nanatona ahy teo afovoan-tanàna :

— Tadidinao ve aho ? Nifanena tany an’ala isika, tamin’ny lohataona farany teo.

— Tadidiko tokoa, tsy nanadino anao aho rehefa nivavaka tamin’Ilay Andriamanitsika.

— Marina tokoa fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra (Jaona 3:3). Ankehitriny aho dia mino fa Jesosy Kristy no hany lalana mankany an-danitra.