Talata 28 Avrily 2020
Nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ny tànako ... ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, fa tsy nisy nahasoa tatỳ ambanin’ny masoandro. Mpitoriteny 2:11
Maty hamonjy ny olona rehetra Izy (Kristy), mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy. 2 Korintiana 5:15
Sahiran-tsaina ny olona, manao izay hampitombo ny fahefa-mividiny, indrindra fa any amin’ny fiarahamonina manindrahindra ny fanjifana, fiarahamonina manosika ny tsirairay hikatsaka zavatra bebe kokoa hatrany. Mihevitra mantsy ny olona hoe tsy mety manana ny ampy mihitsy, mba hahatsapany fahasambarana, fa misy zavatra tsy ampy foana ! Dia izany ve no atao hoe “manararaotra ny fiainana” ? Rehefa ho faty aho, inona moa no mba ho lanjan’izay fananako sy ny fahafinaretana rehetra nandramako tetỳ an-tany ? … “Amin’ny zavatra rehetra, dia tokony hoheverina ny farany” (La Fontaine).
Tsy misy ny tena fahasambarana, raha tsy miray fo amin’Ilay Andriamanitra Mpahary azy ny tsirairay. Amin’ny mpino, ny hoe “manararaotra ny fiainana” dia tsy hoe manao izay tiany, fa mihaino sy manatanteraka izay lazain’Andriamanitra ao amin’ny Teniny, ka mandray ny fitahiany noho izany. Ny hoe manararaotra ny fiainana omen’Andriamanitra ahy, voalohany indrindra, dia mifanena amin’i Jesosy Kristy, amin’ny maha Mpamonjy sy Tompo Azy. Amin’izany no ianarako mahafantatra an’Andriamanitra ho Raiko any an-danitra, ka ny fahasambarako dia ny mitondra tena mendrika ny Tompo, sady manatanteraka ny asa tsara nomanin’Andriamanitra mialoha hataoko (Efesiana 2:10).
Ianao ve mino Ilay Zanak’Andriamanitra, maty sy nitsangana velona indray mba hanome antsika ny tena fahasambarana, dia ny fiainana mandrakizay ? Raha mbola tsy mahazo antoka izany ianao, dia raiso tsy misy hataka andro io fanomezan’Andriamanitra io. Dia tena ho tanteraka aminao ny hoe manararaotra marina tokoa ny fiainana amin’ny maha zanak’Andriamanitra sy ny “haben’ny harenan’ny fahasoavany” (Efesiana 2:7).