Alatsinainy 27 Avrily 2020

Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika ; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin’ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazava ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarikandro. 2 Petera 1:19

 

Hanao ahoana ny ampitso ?

Tapaka tanteraka nandritra ny ora maro ny herinaratra, teo amina faritra iray : tsy misy fahazavana, tsy misy manafana, mihitsoka avokoa ny solotohatra rehetra… Atahorana ho ratsy ny vokatr’izany… Ireo razantsika dia tsy nahazo an-tsaina mihitsy ny zava-mampiadana azontsika ankehitriny, avy amin’ny fivoaran’ny siansa sy ny teknika. Indro anefa fa tampoka teo dia tsapantsika ho tena faran’izay marefo izany zava-mampiadana izany, ary maro ny manontany tena momba ny ho ampitso.

Koa mba hampangina ny tebitebiny, ny olona sasany dia manatona mpanandro, na mpahita, na mpamaky ny miafina amin’ny alalana karatra ; nefa hita nony avy eo fa tsy marina akory ny zavatra nolazain’ireo ! Koa aza mitady valim-panontaniana any amin’ireo, satria sehatra mampidi-doza no any, ary hafaran’Andriamanitra isika tsy hiditra any (Deoteronomia 18:10-12).

Ao amin’ny Baiboly no misy ny zavatra rehetra ilaintsika ho fantatra, momba ny hoavy. Azo antoka ny Baiboly ; maro tamin’ny teny nolazainy mialoha no efa tanteraka, anisan’ireny ny fifandimbiasan’ireo fanjakana lehibe teo amin’ny tantara fahagola (Daniela 2). Nambaran’ny Baiboly mazava tsara ihany koa, taonjato maro mialoha, ny hahaterahan’i Jesosy.

Tsy avelan’Andriamanitra hisy hampisalasala ny momba ny hoavin’ity planetantsika ity, izay voaloton’ny ota ka tsy maintsy ho levona, indray andro any (2 Petera 3:10). Nefa tena mahafinaritra kosa, fa efa nanomanany toerana azo antoka ho mandrakizay any an-danitra ireo izay te ho voaro tsy hiharan’ny fitsarana, ka manaiky handray ny fahasoavan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana an’i “Jesosy, Izay Mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy” (1 Tesaloniana 1:10).