Alahady 26 Avrily 2020

Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin’ny alalan’i Kristy. 2 Korintiana 5:17, 18

 

Mba tokony hanandrana aloha e !

Efa 95 taona mahery ilay mpandinika zavaboary antsoina hoe Théodore Monod, nefa dia mbola mitety ireo taniefitra, mikaroka santionan-javatra tsy fahita firy. Nampitolagaga ny fomba niresahany momba ny voary sy ny aina amin’ny endriny samihafa. Tamina resaka fanadihadiana nifanaovana taminy, momba ireo fifanolanana eo amin’ny fiarahamonina manana kolontsaina kristiana, dia hoy izy : “Lazaina fa tsy mahomby ny finoana kristiana, nefa ve efa tena nandramana tokoa izy io ?”

Angamba tsara aloha ny mamaritra ny antsoina hoe “finoana kristiana”. Raha fitambarana fitsipika mitaky ezaka avy amin’ny olombelona no heverina ho finoana kristiana, dia aza gaga raha tsy mahomby izany finoana kristiana izany ! Ny olombelona, araka ny toetra maha olona azy, dia andevon’ny firehetam-pony, ary tsy mahay manafaka ny tenany (Romana 7:23). Tsy inona fa nofinofy ihany ilay lazaina ho finoana kristiana mitaona ny tsirairay hanovo hery ao amin’ny tenany samirery mba hitia ny namany, ka amin’izany, mba hanova izao tontolo izao.

Tsia, fa ny tena finoana kristiana dia ilay finoana aneken’ny tsirairay ny fahamelohany eo anatrehan’Andriamanitra, aloha, ary avy eo, andraisany ny famonjena atolotr’Andriamanitra noho ny finoana an’i Jesosy. Izay no dingana voalohany. Io fiovana io, antsoina hoe fiovampo, dia safidy ataon’ny tena manokana, safidy vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra. Ireo izay nanao io dingana fototra io dia omen’Andriamanitra toetra vaovao. Noho izany izy ireo dia afaka mampiseho ampahany kely amin’ilay fitiavan’Andriamanitra napetrany ao am-pon’izy ireo (Romana 5:5). Io fitiavana io dia tsy mitady ny azy, tsy mifaly amin’ny tsy fahamarinana fa miara-mifaly amin’ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra (1 Korintiana 13:5-7). Mba efa nanao izany dingana voalohany izany ve ianao, ho fanandramana io finoana kristiana io ?