Asabotsy 25 Avrily 2020

Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ny Fanahin’Andriamanitra ; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin’olona. 1 Korintiana 2:14-15

 

Iza no afaka mamaky ny Baiboly ?

Ahoana no amakiana sy andraisana ny Baiboly ? Tsy miresaka afa-tsy amina manam-pahaizana manokana ve izy, na mpahay tantara, na mpivaofy teny, na mpahay teolojia, na mpahay fahagola… ?

Manana hafatra ho an’ny tsirairay amintsika ve izy ? Tena izany tokoa. Hafatra manokana ? Eny, satria ny Baiboly dia Tenin’Andriamanitra, miantefa amin’ny olona tsirairay noarìny. Tsy ny fahalalantsika no iantefan’ny Baiboly, fa ny fontsika sy ny fieritreretantsika. Izany no mahatonga antsika rehetra ho voakasika avokoa, na kely na lehibe. Ny hany ilaina dia ny mandray ny toeran’izay manaiky ny fahakelezany eo anatrehan’Andriamanitra, ka maniry hampianarina. Hoy Jesosy tamin’Andriamanitra Rainy : “Nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany, ka nasehonao tamin’ny zaza madinika” (Matio 11:25). Ary nanoratra ny mpaminany iray hoe : “Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, fa Jehovah no miteny” (Isaia 1:2).

Voarafitra amina lahatsoratra nosoratana efa an’arivo taona lasa ny Baiboly, kanefa mbola manan-kery mandraka ankehitriny. Izy no fanambarana ataon’Andriamanitra momba ny tenany sy ireo drafitra kasainy momba ny olona. Tsy boky tantara izy, na boky-na siansa koa, na boky-na fitsipi-piainana. Ny Baiboly dia mandinika sy mamaly ny fanontaniana momba ny tsara sy ny ratsy. Izy dia manazava amintsika ny anton’ny nahatonga antsika ho mpanota, voaheloka, ary manoro antsika ny fomba tokana hahafahana mihavana amin’Andriamanitra, dia Jesosy maty teo amin’ny hazofijaliana sy nitsangana tamin’ny maty. Ny Tenin’Andriamanitra dia velona ary manana fahefana hiasa ao anatintsika, raha mino azy isika. Matokia fa raha mamaky am-pahitsiam-po ny Baiboly isika, dia hampahafantatra ny tenany amintsika Andriamanitra.