Zoma 24 Avrily 2020
Kanefa tsy namela ny tenany tsy hanana vavolombelona Izy ; fa manao soa Izy, mampilatsaka ny ranonorana avy eny amin’ny lanitra ho anareo sady manome taon-jina ka mahavoky ny fonareo amin’ny hanina sy ny fifaliana. Asan’ny Apostoly 14:17
Mankanesa atỳ amiko — Mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo. Isaia 55:3
— Amin’ny lafiny fivavahana, dia samy manana ny fahamarinany ny tsirairay ; noho izany, tsy misy fahamarinana momba an’Andriamanitra !
— Ry zatovo, hoy ilay mpanao famelabelaran-kevitra namaly, ny tianao holazaina izany dia hoe samy afaka misafidy izay tiany hinoana ny olona tsirairay, ary tsy misy ny fahamarinana tanteraka. Izany ve no hamafisinao ?
— Izany mihitsy, ary hamafisiko izany.
— Nefa tsy hitanao ve fa misy fifanoherana ao amin’izay lazainao ? Sady manambara zavatra iray amin’ny fomba tsy azo toherina ianao, no milaza fa tsy misy fahamarinana ! Raha tsy misy fahamarinana, dia tsy afaka manamafy na inona na inona ianao. Raha ny marina, dia misy tokoa fahamarinana tanteraka, farany indrindra, ary andraikitrao ny mikaroka izany.(araka an’i R. Wurmbrand)
Tokana ny fahamarinana momba an’Andriamanitra, na inona na inona hevitry ny olona mikasika izany. Tsy midika tsy akory izany hoe tokony holavina ireo manana fihevitra hafa noho ny antsika, fa kosa tokony hotadiavintsika ny fahamarinana ary hinoana.
Ahoana no hahitana ny fahamarinana momba an’Andriamanitra ? Tsy hoe hilentika ao anaty fisaintsainana sarotra be, fa handray tsotra fotsiny izay nambaran’Andriamanitra. Ampy ny mihaino izay nambaran’Andriamanitra momba ny tenany. Nanambara ny tenany Izy ao amin’ny Baiboly, ka tokony hamaky izany isika, satria ny Baiboly no Tenin’Andriamanitra, ilay fahamarinana tanteraka. Nanambara ny tenany tamintsika koa Izy tamin’ny nanirahany an’i Jesosy Kristy Zanany, Ilay “làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6). Tsy takatry ny saintsika velively ny fahamarinana momba ny maha Andriamanitra an’Andriamanitra. Na mamaky ny Baiboly aza isika, dia ampahany amin’izay maha Izy Azy ihany no haintsika takarina. Nefa ny fahamarinana dia mitoetra ho tokana, ho mahatalanjona : “Andriamanitra dia mazava” ; “Andriamanitra dia fitiavana” (1 Jaona 1:5 ; 4:8).