Alakamisy 23 Avrily 2020
Tany aloha no nanorenanao ny tany ; ary asan’ny tànanao ny lanitra. Ireo dia ho levona, fa Ianao no maharitra ; izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana ; toy ny lamba no hanovanao azy, ka hovaina izy ; fa Ianao no tsy miova, ary ny taonanao no tsy ho tapitra. Salamo 102:25-27
Ho an’ny sasany, ny voary dia vaingana fotsiny ihany ; ho an’ny hafa kosa indray, mifanohitra amin’izany, fa ny voary dia Andriamanitra.
Ho an’iretsy voalohany, ny zavatra rehetra dia vaingana avokoa, ary tsy ao an-tsain’izy ireo izany hoe Andriamanitra izany. Ny haitao (technologie) hono dia ampiasaina mba hitondra ny olombelona ho amin’ny fandrosoana. Tsy misy fitsipika ara-pitondrantena ambony mba hitantanana ny voary, ary ny olona irery ihany no tsy maintsy miatrika ny olana ara-tontolo iainana.
Ho an’ireo faharoa indray, ny voary dia saika afangarony amin’Andriamanitra mihitsy. Ny fironam-pisainana sasany dia miresaka ny hoe “voary-reny” sy ny hoe “ny tany renintsika”.
Samy mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly antsika ireo fomba roa fijery ny voary ireo. Voalohany aloha, Andriamanitra dia fanahy, ambony lavitra noho ny vaingana, satria izao tontolo izao dia noforoniny ary tsy haharitra mandrakizay. Miha antitra izao tontolo izao, ary ho levona. Ny haitao dia tsy mahavaha ny olana rehetra…
Fa Andriamanitra kosa dia nanisy fofonaina mahavelona ny olombelona (Genesisy 2:7). Izany no mampiavaka ny olombelona amin’ny biby, sy mahatonga azy ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy azo oharina amin’ny olombelona ny voary. Tokony hampiasa ny voary isika sady miaro azy, saingy tsy iray miaraka aminy. Ny olombelona ihany no noarìna hitovy endrika amin’Andriamanitra (Genesisy 1:27).
Andriamanitra no Ilay Mpahary, ary miteny amintsika Izy, Izay nanome antsika ny fahaizana mandre sy mahatakatra izay lazainy. Tsy mba manana izany fahaizana mifandray aminy izany ny voary. Koa satria miteny amintsika Andriamanitra, dia manana zo hiandry valiny avy amintsika olona noarìny : fankasitrahana, fanajana… Ary Izy irery ihany no mendrika itsaohana.