Alarobia 22 Avrily 2020

(Hoy ny devoly tamin’i Jesosy :) Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any ; fa voasoratra hoe : “Izy handidy ny anjeliny ny aminao ; ary eny an-tànany no hitondran’ireo Anao, fandrao ho tafintohina amin’ny vato ny tongotrao”. Hoy Jesosy taminy : Voasoratra hoe koa : “Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao”. Matio 4:6, 7

 

Voasoratra hoe koa

Rehefa nalaim-panahy tany an-taniefitra Jesosy, dia nitanisan’ny devoly ny Tenin’Andriamanitra : “Voasoratra hoe” (Salamo 91:11, 12). Saingy notanisainy ampahany ihany izany, ary ivelan’ny toejavatra resahiny, mba hitaomany an’i Jesosy tsy hankatò an’Andriamanitra. Ka novalian’i Jesosy hoe : “Voasoratra hoe koa”, ary nitanisany teny vaovao hafa tena marina, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Dia nilavo lefona i Satana ary lasa nandeha.

Ankehitriny i Satana dia mitady handrebireby ihany koa ny sain’ireo kristiana mamaky ny Baiboly amin’ny ampahany na tsotsotra fotsiny. Koa amin’izany, ny olona sasany mitanisa ny tenin’i Kristy hoe : “Sambatra ny malahelo [mahantra] am-panahy” dia manjary milaza fa mitondra ho amin’ny fanamaizinan-tsaina ny Filazantsara !

Raha tsy mihevitra ny sehatra resahin’ny andinin-tSoratra Masina, dia mety ho diso hevitra. Araka izany dia misy tena kristiana marina, mitebiteby satria mieritreritra fa mety ho very ny famonjena efa azony. Raisiny tsy araka ny tokony ho izy mantsy ny teny natao ho an’olona tsy manana ny ain’Andriamanitra akory, nefa milaza azy ho kristiana (jereo Hebreo 6:4-6).

Ry kristiana, aza manaiky hokorontanina ! Raha misy teny ao amin’ny Baiboly noraisina mitokana, ka toa mifanohitra amin’ny fampianarana mazava lazain’ny teny hafa, dia avereno ao amin’ny toejavatra resahiny io teny noraisina mitokana io, ary angataho Andriamanitra hanazava ny saintsika. Dia hataony tokoa izany. Ny Tenin’Andriamanitra dia iray tsy mivaky, mirindra, ary mahitsy avokoa (Salamo 19:9). Aoka isika hiankina amin’izay Teny efa miorina tsara. Tsy mba misy mifanohitra ny tenin’Ilay Andriamanitry ny fahamarinana ! Vakio am-pitandremana ny Baiboly, avelao ho eo amin’ny tena toerany avy ny teny tsirairay. Ary raha toa ny devoly manandrana manakorontana ny saintsika amina : “Voasoratra hoe”, dia haka tahaka an’i Jesosy isika, ka hamaly toa Azy koa, hoe : “Voasoratra hoe koa” !