Talata 21 Avrily 2020
Ianao no Andriamanitra Izay mahita. Genesisy 16:13
Nampitenenany (nampitenenin’Andriamanitra) tamintsika ny Zanany. Hebreo 1:2
Momba ny fisian’Andriamanitra, dia faly erỳ ny olona tsirairay milaza ny heviny. Ny sasany, manindrahindra rijan-kevitra tranainy na vaovao ara-tsiansa, mba hanoherana ny nisiana Mpahary niditra an-tsehatra. Ny hafa indray, miresaka ireo loza mitranga na ireo tsy rariny, ka milaza hoe : “Tsy misy Andriamanitra tsara fanahy izany”…
Hisy hiteny hoe : “Misy ve Andriamanitra ?” Nefa izany tokoa ve no fanontaniana tokony hapetraka ? Tsy mahasoa kokoa ve ny manontany am-panetren-tena hoe : Naneho ny tenany tamin’ny olona noarìny ve Andriamanitra ? ary ahoana ny fomba nanaovany izany ? Ny mianina amin’ny fanontaniana momba ny fisiany dia mety hahitantsika Azy ho Andriamanitra lavitra, tsy miraharaha izay manjo ny olona. Koa dia mahatsapa ho tsy voakasika loatra isika.
Fa raha naneho ny tenany kosa Izy, raha niteny tamintsika, dia tokony hoheverintsika izany. Mahakasika antsika ny hafatra entiny, ary anjarantsika ny mamantatra ny momba izany.
Ambaran’ny Baiboly fa ao amin’ny Baiboly no misy io hafatra io. Koa ny fanontaniana mipetraka izany dia hoe : “Izaho ve mba efa namantatra io hafatra io ?”
Koa tsy adihevitra ara-tsaina intsony izany, fa olana ara-toe-panahy idiran’ny fahitsiana. Dia mipoitra ho azy ny fanontaniana farany, hoe : “Tena te hamantatra sy te hamaky ny Baiboly tokoa ve isika ?” Tsy hoe ho fanamby anefa, fa ho antso hahitana ny fitiavan’Andriamanitra.
Mitaona antsika Jesosy, hoe : “Dinihinareo ny Soratra Masina… ireny no manambara Ahy” (Jaona 5:39).