Alatsinainy 20 Avrily 2020

Tsy hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona, fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy. Galatiana 2:16

 

Jesosy sy ireo antokom-pinoana

Ny antokom-pinoana rehetra dia samy manolotra lalana mankany amin’Andriamanitra. Misy isan-karazany ireny lalana ireny, nefa amin’ny ankapobeny izy rehetra dia mitaona antsika hanatona an’Andriamanitra amin’ny fanaovana ezaka manokana, hampisondrotra any amin’Andriamanitra, raha heverina hoe hay atao izany.

Hafa dia hafa kosa ny hafatra entin’i Jesosy. Tsy milaza Izy hoe misafidiana ka manaraha antokom-pinoana iray, fa kosa manolotra maimaimpoana, ho an’ireo rehetra mihaino Azy, ny fahafahana manana fifandraisana tena izy amin’Andriamanitra.

Noho ny fahotantsika, hoy ny Baiboly, dia sahaza ho antsika rehetra ny fanamelohan’Andriamanitra, ary tsy hahafahantsika miala amin’izany fanamelohana izany ny ezaka ataontsika samirery. Koa dia Andriamanitra no nanamboatra ny lalana hanatonany antsika : mba hanafahany antsika, dia tonga Izy tao amin’ny tenan’i Jesosy Kristy, ary maty Jesosy nisolo toerana antsika. Dia omen’Andriamanitra famotsoran-keloka aho, raha mino fa maty Jesosy noho ireo fahadisoako.

Lafo dia lafo tamin’Andriamanitra izany famotsoran-keloka izany, ka aza ataontsika tsinontsinona. Manoratra ny apostoly Paoly hoe : “Sa hamavoinao ny harenan’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka ?” (Romana 2:4)

Miantso antsika tsirairay Andriamanitra. Miteny amintsika Izy androany, amin’izao hafatra fohy izao, satria tia antsika ary te hanao antsika ho zanany.

Hoy Jesosy amintsika : “Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko” (Apokalypsy 3:20).