Alahady 19 Avrily 2020

Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy ; Lehilahy ory... ary tahaka izay tsy tian’ny olon-kojerena akory Izy ; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika. Isaia 53:3

Iny Jesosy nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana iny dia efa nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy. Asan’ny Apostoly 2:36

 

Simba endrika satria namonjy olona iray

Nisy haintrano nitranga tao amina trano iray tao an-tanàna. Nihazakazaka nankany ny mpiara-monina. Tampoka teo dia nisy niantsoantso namoy fo… Zazalahy kely voasakan’ny afo ka tsy tafavoaka ! Nivadi-po ny reniny, izay tonga avy niantsena. Nikoropaka hiditra izy. Saingy nisy tanana nihazona azy, ary indro lehilahy iray nisolo azy, nitsofoka tao anaty lelafo. Tafakatra tany ambony rihana izy, nesoriny ny palitaony, namonosany ilay ankizy, dia iny izy niverina nidina namakivaky ilay afo miredareda. Avotra ilay ankizy ! Fa ilay lehilahy kosa may be, ka haharitra ela sady ho mafy indrindra ny fijaliany. Ary tsy fantatra intsony ny endriny nony sitrana izy.

Nihalehibe ilay ankizy voavotra. Hadino tsikelikely tao an-tanàna ilay loza nitranga. Nampatahotra ny ankizy ilay lehilahy simba endrika. Mandositra izy ireo rehefa mahita azy. Indraindray dia miresaka hihomehezana azy izy ireo, ary miaraka amin’izy ireo koa ilay ankizy navotana…

Fa ireo ray aman-dreniny kosa dia nahatsiaro. Ary indray andro, rehefa afaka nahatakatra amin’izay ilay zaza, dia nitantaran’izy mivady ny antony nahasimba ho mandrakizay ny tarehin’io lehilahy nahery fo sy nanam-pitiavana io.

Nigogogogo nitomany ilay zaza. Nahoana re izy no dia naneso ilay olona nanao vy very ny ainy mba hamonjy azy e ? Menatra izy, sady nanenina, ka lasa nihazakazaka nitady ilay lehilahy, ary niantsampy teny an-tratrany. Dia tiany tokoa izy nanomboka hatreo !

Izany tantara izany dia mampahatsiahy antsika ny fijalian’i Jesosy, Izay nahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Tsy mendrika hankasitrahintsika, hotiavintsika ary hankatoavintsika ve Izy ? Sitrany ny hahatsiarovantsika Azy. Mba te hanao izany ve isika ? (1 Korintiana 11:23-25)