Asabotsy 18 Avrily 2020

Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy : Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao. Eksodosy 34:27

Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin’ny boky, ka ampitondray... Apokalypsy 1:11

Ny Soratra Masina tsy azo foanana. Jaona 10:35

 

Ny Soratra Masina

Eo amin’ny kolontsaina sasantsasany, nandritra ny fotoana lava, dia am-bava no nampitana ny fahalalana nentim-paharazana sy ireo finoana. Izany dia nahafahan’ny mpitarika ara-panahy sasany nihazona ho azy samirery ny fahalalana sy ny fahafehezana izany. Mandraka ankehitriny, ireo mpanao fanafody mpanompo zavaboary hono dia mbola manohy izany fampitana am-bava izany. Izany dia ahafahany manjakazaka amin’ny hafa, izay hazoniny ao anatin’ny fahatahorana sy ny fanoavana.

Tsy mba toy izany mihitsy kosa Andriamanitra, Ilay Mpahary. Sitrany ny nampahafantatra an-tsoratra izay rehetra tokony ho fantatsika, mba hahalalantsika Azy sy hahalalantsika ny tenantsika. Araka izany, ohatra, no nandidiany an’i Mosesy, 3500 taona lasa izay, mba hanoratra izay henony ; nandidiany mpaminany samihafa ihany koa… ary farany nandidiany ny apostoly Jaona hoe : “Izay zavatra hitanao dia soraty eo amin’ny boky”.

Fitiavana lehibe avy amin’Andriamanitra anie izany e ! Nasainy nosoratana ny Teniny, ary navelany ho takatry ny olona. Ny sasany nanova izany, ny hafa indray nandoro azy, kanefa tsy hay nofoanana izy io, satria “ny tenin’ny Tompo maharitra mandrakizay” (1 Petera 1:25). Nisy kosa nandray izany araka ny maha izy azy marina, izany hoe amin’ny maha Tenin’Andriamanitra azy ; koa tsy mba nanenina izy ireo, satria niasa tao anatin’izy ireo io Teny io, izay “velona sy mahery” (Hebreo 4:12). Raha inoantsika mantsy ny Tenin’Andriamanitra, dia manatanteraka ao am-pontsika izay zavatra lazainy.

Ankehitriny, na mpamaky na mpihaino dia afaka mahafantatra mivantana ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy mila mpanelanelana. Tsy ampy anefa ny mandre, na mamaky, na mianatra azy fotsiny ; fa tsy maintsy mandray azy ao am-po, mamela azy hiasa amin’ny fieritreretan’ny tena, ary atao am-pinoana izany, satria raha tsy izany dia tsy misy ilana azy ny Tenin’Andriamanitra (Hebreo 4:2).