Zoma 17 Avrily 2020
Na inona na inona no efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy, dia isika no nanambaran’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy ; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an’Andriamanitra aza. Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon’olona, afa-tsy ny fanahin’ny olona izay ao anatiny ihany ? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon’Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin’Andriamanitra ihany. 1 Korintiana 2:9, 10-11
Ny faharanitan-tsaina dia fahaizana mahatalanjona nomen’Andriamanitra ny olona : afaka nandeha lavitra be ny olona teo amin’ny fahalalana izao tontolo rehetra izao, na teo amin’ny fanatontosana ara-teknika zavatra faran’izay sarotra. Noho ny faharanitan-tsaina, rehefa mandinika ny voary isika dia afaka manaiky ny fisian’Andriamanitra sy mamantatra “ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra Azy” (Romana 1:20).
Na izany aza, ny olona dia mitoetra hatrany ho voary, ho zavamananaina voafetra, tsy afaka mahatakatra an’Andriamanitra amin’ny maha tsy voafetra Azy. Tsy hain’ny olona fantarina ny tena toetran’Ilay Andriamanitra fitiavana, fahazavana, fahamasinana. Vao mainka moa ny olona tsy afaka manao izany rehefa misafidy ny hiaina tsy misy an’Andriamanitra, tsy miankina amin’ny maha Izy Azy sy amin’ny sitrapony.
Koa Izy Andriamanitra mihitsy, mba hampahafantarany ny tenany, no niresaka tamin’ny olona, tamina fomba takatr’izy ireo, tamin’ny fitenin’olombelona. Nataony miandalana izany : nisy olon’ny finoana aloha, nandray sy nampita ny fahalalana Ilay hany Andriamanitra marina. Avy eo Andriamanitra dia naneho tanteraka ny tenany, tamin’ny nanirahany ho etỳ an-tany an’i Jesosy Kristy Zanany. Ary ankehitriny Izy, amin’ny alalan’ny Fanahiny sy ny Teniny, dia maneho ny tenany amin’ny fontsika sy ny fieritreretantsika.
Tsy lahakevitra voaporofo ara-tsaina no ahafahan’ny Tenin’Andriamanitra mandresy lahatra antsika, fa noho izy maneho amintsika Olona iray, dia Jesosy Kristy, Izay Andriamanitra mihitsy tonga olona, masina ary tsy misy ota. Mihoatra noho izany aza, Izy no Ilay tia antsika sy nanolotra ny tenany noho ny fahadisoantsika. Mpamonjy velona Izy, ary hany afaka mampifandray antsika amin’Andriamanitra, Izay nambarany antsika ho Ray. Izany fanambarana izany dia natao “tamin’ny zaza madinika”, fa tsy “tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina” (Matio 11:25).