Alakamisy 16 Avrily 2020

(Hoy Andriamanitra tamin’i Adama sy Eva :) Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy ; ary manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany. Genesisy 1:28

Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy. Genesisy 2:15

 

Haitontolo iainana (2) : ireo fifandraisan’ny olona amin’ny voary

Iza, mihoatra noho Ilay Mpahary, no afaka hanoro antsika ny anjara asantsika eo anivon’ny voary ? Ndao hojerena izay lazain’ny Baiboly momba izany.

Raha vao noarìna ny tany, dia efa naneho ny voninahitr’Ilay Mpahary azy. Nanomboka tamin’izay, izao rehetra izao dia hazonin’ny herin’ny Tompo, Izay “mamelona azy rehetra” (Nehemia 9:6).

Efa nianiana Andriamanitra tsy handevona intsony, amin’ny safodrano, ny tontolo misy zavamananaina. Nametraka fanekena tamin’ireo Izy, ho amin’izany (Genesisy 9:9-17). Karakarainy ny biby rehetra (Matio 6:26 ; 10:29). Navelany hihinana henam-biby ny olona (Genesisy 9:3) ka handray izany am-pisaorana (1 Timoty 4:3-5).

Tamin’izany no nanendren’Andriamanitra ny olona ho mpitantana ny voary, ho “mpanao zaridaina” mikarakara ny sahan’ny fahariana, manana andraikitra telo manokana, voafaritra ao amin’ireo andinin-tSoratra Masina nomena androany :

— Hihamaro sy hameno ny tany amin’ny taranany.

— Hanjaka amin’ny zavaboary, anisan’izany ireo karazana rehetra manana aina, ka midika izany hoe manana fahefana amin’ny fitambaram-ben’ny biby ary manara-maso azy ireo.

— Hamboly sy hitsimbina ny voary. Amin’ny maha mpitantana ny olona, dia tokony hanaja Ilay Mpahary izy, amin’ny fomba famboleny sy fiarovany ny tontolo iainany.

Nanao ahoana ny nanatanterahan’ny olombelona ny asa nankinina taminy ? Tsy nahomby izy, ary tsy hay arenina intsony izany. Tsy hoe ny fahalalana no tsy ampy, fa ny fanoloran-tena ara-toe-tsaina sy ara-panahy. Verin’ny olona ny fifandraisany tamin’Ilay Mpahary, ary izy ihany no nataony ivon’ny tenany.

Ary mba ahoana ny momba ahy manokana ?