Alarobia 15 Avrily 2020

Mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy ; fa izany no fiainanao Deoteronomia 30:19, 20

 

Rehefa miteny mafy Andriamanitra.

Tamin’ny taona 1995, taorianan’ny nirodanan’ny “efitra vy” (natsangan’ny Firaisana sovietika fahizany), dia nohararaotina ny fahafahana ara-pivavahana vao azo, ka novitaina ny fanorenana trano fivavahana iray tany Faget, any Roumanie. Mpino iray anisan’ny fiangonana sy mpiasa roalahy tsy mpino no niasa namita ny tafo. Tampotampoka teo dia nirodana ny kombarika (échafaudage), izay tsy voapetraka tsara ka tsy nahazaka azy telo lahy, ary niantonta mafy niaraka tamin’izy ireo, enina metatra terỳ ambany.

Nety ho nanjary nalemy izy ireo, na nety ho maty mihitsy aza. Indreo anefa izy ireo, samy tafajoro tsy nisy naratra na dia kely aza ! Tsy vitan’ny hoe niditra an-tsehatra Andriamanitra mba hamonjy ireo lehilahy ireo, fa koa novainy ho fitahiana ilay saika ho loza nahatsiravina. Fotoana fohy taorianan’izany tokoa mantsy, dia nanambara tamin’ny mpitandrina nihazakazaka nankeo an-toerana ireo roa lahy tsy mpino hoe : “Ankehitriny dia fantatray fa Andriamanitra velona ny Andriamanitrareo. Ka mba maniry hahafantatra Azy koa izahay”.

Andro zoma tamin’izay. Ny alahady manaraka dia tonga nanatrika ny fotoam-pivavahana izy roalahy, niaraka tamin’ny ankohonany manontolo avy. Niresaka momba io loza io ny olona iray, niteny hoe : Rehefa nianjera avy teny ambony tafontranon’ny fiangonana izy, vao niditra tao anatiny !

Manana fomba maro samihafa Andriamanitra, eo am-pelatanany. Fa ny tanjony mandrakariva dia ny hampahatsiaro ny rehetra fa Andriamanitra velona sy mahery Izy, ary mihevitra ny tsirairay manokana. Sao dia mba ianao no iresahany androany ?