Talata 14 Avrily 2020
Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy (Jesosy) no nanolotra ny ainy hamonjy antsika ; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy. 1 Jaona 3:16
Rehefa mamaky ao amin’ireo filazantsara ny tantaran’ny fiainan’i Jesosy tetỳ an-tany isika, dia taitra mahita fa na dia norahonana aza Izy, nilaozana, nampijaliana, dia tsy niala na oviana na oviana tamin’ny tanjona nokendreny. Izy no hany olona afaka tanteraka sady nankatò Ilay Andriamaniny :
— Afaka Izy, nisafidy ny ho irery sy ho mosarena tany an-taniefitra, toy izay hiasa tsy hiankina amin’Andriamanitra.
— Afaka Izy, tamin’izay rehetra mety ho tahotra : nandritra ny tafiotra iray nampatahotra ny mpianatra, Izy dia natory tam-piadanana.
— Afaka Izy, naneho fitiavana sy nihevitra ireo olona nataon’ny Jiosy tsinontsinona : ny vahiny, ny mpivarotena, ny mpanjanaka romana, ny boka… Tsy niafina ireo mpitondra fivavahana nitsikilo Azy Izy, nitsikilo Azy mba hahita antony hiampangana Azy. Afaka Izy, ka tsy mba nihevitra izay mety ho fiheveran’ny hafa Azy. Nambarany mazava tsara ny fihatsarambelatsihin’ireo mpitondra fivavahana, ary nampitandrina azy Izy noho ny haratsin’ny toetran’izy ireo.
— Tamin’ny alina nisamborana Azy dia tsy nitady handositra Izy, fa vao mainka aza nanatona ho eo anoloan’ireo mpampijaly Azy.
— Nijanona teo amin’ny hazofijaliana Izy, fa tsy nangataka ny famonjen’ny anjely mba hanafaka Azy amin’ny fahavalony ary amin’ny fijaliana sy ny fahafatesana.
Tsy manam-paharoa ny fiainan’i Jesosy Kristy. Izy dia naneho tamintsika fitiavana lehibe indrindra, tonga hatramin’ny nanolorany an-tsitrapo ny tenany mba hamonjy antsika tsy hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra.
Izy, voalohany indrindra, no Ilay Mpamonjy tokony hinoantsika. Koa dia taominy isika tsirairay izay mino Azy, mba ho tia ny namantsika, ary hanompo azy ireny amin’ny fontsika manontolo.