Alatsinainy 13 Avrily 2020

Fa ny teny ny amin’ny hazofijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. 1 Korintiana 1:18

Jesosy ... naharitra ny hazofijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy. Hebreo 12:2

 

Ny hazavan’ny hazofijaliana

Tany Aostralia aho, indray hariva nazava be izay, dia afaka nandinika ny lanitra rakotra kintana. Ny Lakroa Atsimo (Croix du Sud) dia iray tamin’ireo antokon-kintana mora hita indrindra. Namirapiratra fatratra izy tamin’io hariva io, ka tsy nananosarotra aho nahita azy niavaka teo anivon’ireo kintana alikisa. Kanto dia kanto !

Ao amin’ny Baiboly koa dia misy hazavana lehibe mamirapiratra avy amin’ny hazofijalian’i Kristy. Amin’ny fitantaran’ireo filazantsara, “ny hazofijaliana” no hazo nanomboana an’i Jesosy. Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny fiteny hoe “ny hazofijalian’i Kristy” dia maneho ilay tranga manana lanja sy vokatra hitoetra mandrakizay : maty ny Tompo Jesosy, nohomboan’ny olona teo amin’ny hazofijaliana, kanefa koa nokapohin’Ilay Andriamanitra masina noho ireo fahotantsika izay nentiny teo amin’ny tenany.

Rehefa nibanjina ny Lakroa Atsimo aho, dia nahita ny famirapiratan’ny asatanan’Ilay Mpahary ; fa rehefa mibanjina am-pinoana “ny hazofijalian’i Kristy” kosa, dia mahita Ilay Zanak’Andriamanitra nanolotra ny ainy mba hamonjeny ahy. Avy amin’Andriamanitra ny hazavana be ara-toe-panahy mamirapiratra avy eo amin’“ny hazofijalian’i Kristy”. Ireo toetra maha Andriamanitra an’Andriamanitra no mandrafitra io hazavana io : famindrampo, fahamarinana, rariny ary fihavanana (Salamo 85:10).

Tamin’ny fomba ahoana no nanehoana ny fahamarinan’Andriamanitra ? Tamin’ny hazofijaliana (Romana 3:21-25). Ahoana no nanaporofoan’Andriamanitra ny fitiavany ? Tamin’ny nahafatesan’i Kristy ho antsika (Romana 5:8). Ny hazofijalian’i Jesosy Tompontsika dia fanehoana avo indrindra ny herin’Andriamanitra sy ny fahendreny. Ary toy ny Lakroa Atsimo nanoro lalana ny mpandeha lavitra fahiny, ny hazofijalian’i Kristy dia mampisy dikany ny fiainantsika.