Alahady 12 Avrily 2020

Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona ? Tsy ato Izy, fa efa nitsangana. Lioka 24:5, 6

Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao ? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao ? 1 Korintiana 15:55

 

Nitsangan-ko velona Kristy

 

Vao maraina, teo amin’ny fasana,

Nisy vehivavy telo nihazakazaka,

Feno alahelo mafy,

Nitady ny Tompony, Izay tsy hitany.

 

Niseho tamin’ireo fo telo mitaraina

Ilay anjelin’ny Tompo,

Niakanjo akanjo fotsy,

Niteny hoe : aza matahotra !

 

Mitady Ilay Voahombo ianareo,

Saingy tsy ato Izy,

Satria efa nitsangana velona indray,

Araka ny nampanantenainy !

 

Na ny miaramila, na ny vato, na ny tombo-kase,

Dia tsy nisy nahatazona

An’i Jesosy ho ao anaty fasana mangatsiaka,

Fa navoakan’Andriamanitra avy tao Izy !

 

Rehefa miantso Ilay Zanak’Andriamanitra,

Dia ho velona tahaka Azy indray,

Hitafy vatana feno voninahitra,

Ny olomasina rehetra nodimandry.

 

Tsy manam-panindronana intsony ny fahafatesana,

Resy ny fasana !

Sambatra isika mihira hoe :

Voninahitra ho an’ny Tompo Jesosy !

 

(namboarina avy amina asasoratr’i M. Thorens)