Asabotsy 11 Avrily 2020
Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny. Aza ny fahotan’ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao ; fa aoka ho araka ny famindramponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao, Jehovah ô. Salamo 25:6-7
Hazofijaliana telo no nijoro teo an-tampon-kavoana. Jesosy dia nohomboana teo anelanelana jiolahy roa, izay naniratsira Azy, aloha. Niova fihetsika anefa ny iray tamin’izy roalahy avy eo, ary niaiky fa sahaza azy ny famaizana mihatra aminy. Vokatry ny vavaka nataon’i Jesosy ho an’ny fahavalony ve izany fiovana izany ? Tsy milaza izany ny Filazantsara, nefa kosa mitatitra ny tenin’ity lehilahy nijaly ity, izay niandany tamin’i Jesosy, Jesosy irery notoherin’ny olona rehetra. Nahare ireo esoeso izy, nahita an’i Jesosy Izay toa tsy afa-nanao na inona na inona ; kanefa tsy nampoizina fa nitodika tam-patokiana tamin’i Jesosy izy, niteny hoe : “Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao”. Satria nino izy, dia nahira-tsaina, nijery an’i Jesosy voahombo ary efa ho faty, ka nahatakatra fa Izy no Ilay Mpanjaka mbola hiverina indray.
Teo no ho eo ihany ny valintenin’i Jesosy : “Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa”. Tsy nisy nampisalasala ny tenin’ny Mpamonjy momba ny hoavin’ilay jiolahy.
Takatr’ilay jiolahy fa tsy sakana tsy hahafahany mitodika amin’i Jesosy tsy akory ny fahotany. Izany no atao hoe finoana, dia ny mino ny fitiavan’Andriamanitra, Izay nanolotra ny Zanany mba hanonitra ny fahotantsika rehetra. Noho ny fitiavan’i Jesosy ny mpanota, dia nanaiky hofaizina Izy, ka nipetraka toy ilay jiolahy, teo amin’io toerana mahamenatra sy mampijaly io, mba hamonjy azy sy hamoha midanadana ho azy ny varavaran’ny paradisan’Andriamanitra.
Raha mifoha ny fieritreretantsika mba hiaiky ny fahotantsika, dia hihiratra ny masontsika mba hahatakatra ny fahalehibeazan’ny Mpamonjy sy ny fahatsarany ara-toe-panahy.