Zoma 10 Avrily 2020

Dia nivoaka indray Pilato ka nanao taminy hoe : Indro, izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza. Ary nivoaka Jesosy misatroka tsilo sy mitafy ny lamba volomparasy. Dia hoy Pilato tamin’ny vahoaka : Indro ny Lehilahy ! Jaona 19:4-5

 

Indro ny lehilahy (1)

Tsara vakina : Jaona 19:1-7

“Indro ny lehilahy !”, hoy i Pilato, namoaka an’i Jesosy avy tao amin’ny lapan’ny governora. Dia teo anoloan’ny vahoaka Jesosy, ary nampiankanjoana akanjo-na mpanjaka, mba hanesoana Azy, sady nosatrohana satroboninahitra, saingy satro-tsilo. Ahoana no ho fihetsiky ny vahoaka, manoloana izany tenin’i Pilato izany ? Ho afaka nangataka ny hanafahana an’i Jesosy izy… nefa dia niantsoantso nitaky ny hahafatesany.

Teo amin’ny tantara dia matetika Jesosy no natao ohatra maneho ny fanamelohana olona tsy manan-tsiny. Firifiry tokoa moa no niharana fitsarana tsy marina, sy mbola iharan’izany ! Manohina mafy Ilay Andriamanitra marina ny tsy rariny, ka tsy havelany amin’izao fotsiny.

Na izany aza anefa, dia mihoatra lavitra noho ny tsy fahamarinana maharikoriko ny fahafatesan’i Jesosy. Niaina fangirifiriana mafy teo amin’ny hazofijaliana Izy ; ary novonoina, na dia Izy irery aza no hany marina, nefa nanolotra ny ainy an-tsitrapo : “Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray. Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin’ny Raiko” (Jaona 10:17-18). Jesosy no Ilay Andriamanitra tonga olona, Izay nanolotra ny tenany tam-pitiavana.

Hoy i Zakaria mpaminany, nanoratra momba ny vahoaka Israely : “Hijery Ahy Izay nolefoniny izy” (Zakaria 12:10). Nitanisa io teny io ny apostoly Jaona, ao amin’ny Filazantsara nosoratany (Jaona 19:37). Fampitandremana izany, ho an’izay rehetra mandà an’i Kristy. Fa fahasambarana kosa, ankehitriny, ho an’ireo izay mijery Azy amin’ny mason’ny finoana ! Am-pitsaohana izy ireo no mibanjina Ilay Lehilahy marina sy lavorary, maty mba hamonjy ny mpanota, dia izaho sy ianao.