Alakamisy 9 Avrily 2020
Aoka ho faly ny lanitra, ary ho ravoravo ny tany ; aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy. Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy ; dia hihoby amin’izay ny hazo rehetra any an’ala eo anatrehan’i Jehovah, fa avy Izy — Eny, avy hitsara ny tany Izy. Salamo 96:11-13
Taona 1972 tamin’izay ; nanao fanasana ity ankohonana iray tany Versailles. Teo amin’ny resaka nifanaovana dia nanisika ny teny hoe “haitontolo iainana” ilay mpianatra haifambolena sy fiompiana. Taitra ny olona rehetra, ary samy nanontany tena hoe izaho irery ve no tsy mahafantatra io teny io…
Dingana lehibe aoka izany, raha ny tontosa nanomboka tamin’izay fotoana izay ! Tsy vitan’ny hoe nanjary fantatry ny olona rehetra fotsiny ny teny hoe “haitontolo iainana”, fa tonga nibahana tao an-tsain’olona maro mihitsy, tamin’izao taona vitsivitsy farany izao.
Nanjary tonga saina ny olombelona fa tompon’andraikitra manoloana ny voary. Voafetra ny harena voa-janahary, ary efa potika amin’ny ampahany aza. Na ny biby na ny zavamaniry dia samy voakasika avokoa, ka maro ny karazany tsy hita intsony. Tsy hay sakanana ny fahalotoan’ny tontolo iainana…
Izany fahatongavan-tsaina izany dia miteraka ahiahy vaovao mibahana ao an-tsaina, anisan’izany indrindra ny hoe : inona no hiafaran’ireo zanatsika ? Dia misy fanamelohan-tena mipoitra : nosimbaintsika ny fananantsika sarobidy indrindra, dia ity planeta tsara tarehy ity.
Fahamelohana manoloana an’iza moa ? Manoloana ny olombelona. Eny, hijaly noho izany ny olombelona ; nefa tsy izy no nanome antsika ity planeta ity. Mbola meloka kokoa isika, manoloana Ilay Mpahary. Koa inona àry no hatao ? Ndao hitodika aminy mba hivavaka aminy, sy hitady koa, ao anatin’ny Baiboly, ny fiheviny momba ny voary manontolo. Dia hasehony antsika fa misy zavatra mbola maika kokoa noho izany.
Hiasa Andriamanitra, amin’ny fotoanany, mba hanavao ny voary mandritra ny fotoana hanjakan’i Kristy (jereo Isaia 11:9 ; 35:1). Fa ankehitriny aloha Izy dia miantso ny olona tsirairay hoe : “Mijere Ahy, dia ho voavonjy ianareo” (Isaia 45:22).