Alarobia 8 Avrily 2020
(Hoy Jesosy :) Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin’ireny madinika ireny ianareo ; fa lazaiko aminareo : Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan’ny Raiko Izay any an-danitra. Fa tonga ny Zanak’olona hamonjy ny very. Matio 18:10-11
Nandritra ireo taona matroka tamin’ny ady lehibe faharoa, dia nisy ankizilahy kely iray mbola tsy 12 taona akory, nivavaka isan-kariva tamin’ny Tompo Jesosy mba ho afaka mody soa aman-tsara ireo lehilahy rehetra teo an-tanànany, izay any an’ady, na migadra, na any amina toby fampiasana an-terivozona.
Tsy nifidifidy olona izy. Nivavaka ho an’ireo rehetra fantany na henony izy, ary tsy nahoany na mpino izy ireny na tsia. Nahatsiaro azy ireo izy, satria nahare fa tsy ao amin’ny tokantrano izatsy na izaroa ny vady, na ny ray, ka dia tena niha lavabe ny lisitr’ireo olona nentiny am-bavaka.
Nivavaka tam-paharetana izy, ka raha raiki-tory ny hariva, eo am-pitanisana ny anarana, dia namerina nitanisa izany ny ampitso maraina.
Rehefa nifarana ny ady, dia tafaverina soa aman-tsara daholo ireo olona nentin’ity ankizy ity am-bavaka. Notantarain’izy ireo tamin’ny manodidina ny zava-niainany tany an-tsesitany tany. Maro tamin’izy ireo ny nandalo toejavatra tsy noheveriny mbola haha tafavoaka velona azy, toejavatra lozan-tany nahafaty ny ankamaroan’ireo namany. Tsy nahafantatra mihitsy izy ireo hoe nisy ankizy iray nivavaka ho azy ireo. Io ankizy io irery no nahafantatra, tamin’izany toejavatra niainany izany, fa henoin’ny Tompo ny vavaka atao am-pinoana. Azo antoka fa lesona lehibe tsaroany nandritra ny fiainany izany.