Talata 7 Avrily 2020

Koa izany dia tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana...
Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsy fanarahan’ny olona iray (Adama), no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ny Anankiray (Jesosy Kristy).
Romana 5:12, 19

 

Adama, ilay voalohany sy Ilay farany

Adama, ilay lehilahy voalohany, no razantsika rehetra. Nokarakarain’Ilay Mpahary azy izy, ary napetrany tao amina toerana mahafinaritra, izay tsy nisy naha ory azy. Nefa nihaino an’i Satana izy, ary nisalasala ny amin’Andriamanitra. Nihodina taminy izy ary nanota. Araka izany, noho ny fahadisoany, dia nanjary lohalaharana tamin’ny taranak’olombelona izy : ny toetra iraisan’ny olombelona rehetra dia izy ireo samy mpanota, lavitra an’Andriamanitra, ary mendrika ny fanamelohany.

Fa Jesosy Kristy kosa, ilay lehilahy faharoa, Ilay “Adama farany” (1 Korintiana 15:45-47), dia tonga tetỳ an-tany mba hanarina izany toejavatra mampamoy fo izany. Izy koa dia nalain’i Satana fanahy, tsy tany am-paradisa anefa, fa tany an-taniefitra, teo anivon’ny bibidia. Natosika hisalasala ny amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny hatsarampony Izy, nefa nanohitra, nampiasa io Teny io ihany, ary nihazona ny fitokisany tanteraka amin’Andriamanitra. Nankatò Azy hatramin’ny fahafatesana Izy, ka nanolotra ny ainy, teo amin’ny hazofijaliana, mba hamonjeny ny mpanota. Ankehitriny dia efa nitsangana tamin’ny maty Jesosy, resiny i Satana sy ny fahafatesana. Jesosy dia nanjary lohalaharana vaovao ho an’ireo rehetra mino Azy : voavela mandrakizay ny fahadisoan’ireo, tsy mpanota intsony no ahitan’Andriamanitra azy ireo, fa olo-marina, niala tanteraka teo amin’ilay laharana nisy azy noho ny fahaterahany ara-nofo.

Mifanohitra tanteraka ireo ankohonana roa ireo. Ilay voalohany dia mitondra any amin’ny fitsarana sy ny fahafatesana mandrakizay, ny faharoa kosa any amin’ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay.

Fanontaniana lehibe no mipetraka : iza no lohany, eo amin’ny laharana misy ahy ? Adama mpanota, nitodi-damosina an’Andriamanitra ve ? sa Jesosy Kristy, Ilay “Adama farany” (tsy hisy hafa intsony), Ilay Mpamonjy ?