Alatsinainy 6 Avrily 2020
Finoana no nanamboaran’i Noa sambofiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zavatra tsy mbola hita ; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana. Hebreo 11:7
Ao amina nosy iray mitokana eo afovoan’ny ranomasimbe Arctique, ao anatin’ireo vongan-dranomandry, dia nisy manam-pahaizana nandavaka efitrano iray voaro mafy amina varavaram-by matevina sy rindrina vatosokay sesehana vy. Nomena ny anarana hoe “Sambofiaran’i Noa” io efitrano io. Tehirizina ao ny voan’ny karazan-javamaniry fihinana rehetra, mba hahafahan’ny taranaka ho avy mamboly indray ireo karazana ireo, raha misy loza mahalevona izany zavamaniry fihinana izany.
Tsapantsika tsara, na tsy sainintsika akory aza, fa marefo dia marefo ny aina rehetra, ka na eo aza ny hambon’ny olombelona, dia tsy voafehiny na ireo tranga mibaiko izao tontolo izao, ary na izay tsy haha fongana ny ainy manokana aza. Ahiana ny korontana sy ny fanimban-tena, nefa eo am-pelatanan’Andriamanitra irery ny fifehezana izao tontolo izao. “Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany ; ary Izy no talohan’ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra” (Kolosiana 1:16, 17).
Hoy Andriamanitra tamin’i Noa : “Midira ao anatin’ny sambofiara ianao mbamin’ny ankohonanao rehetra” (Genesisy 7:1). Ratsy fanahy sady feno herisetra ny olona tamin’ny andron’i Noa, ka nanapa-kevitra Andriamanitra handringana azy. Antomotra ny fitsarana tamin’izay fotoana izay, ka ny sambofiara no hany fomba ahafahana manavotra ny aina.
Toy izany koa ankehitriny, efa manerana izao rehetra izao ny herisetra sy ny fahalovana, ka efa antomotra ny fitsarana. Isika ve mba nihevitra ny hitady fialofana ? Manolotra “sambofiara” ho antsika Andriamanitra, ary kisarisarin’izany ny sambofiaran’i Noa. Jesosy Kristy io “sambofiara” io, ka tokony hino Azy isika anio. “Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy” (Romana 8:1), izany hoe ho an’ireo izay mino Azy, mino fa maty nisolo toerana azy ireo Jesosy Kristy.