Alahady 5 Avrily 2020
Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an’ireo Izy. Hebreo 11:16
Tsy mahamenatra Azy (Jesosy) [ny] hanao ireo hoe ‘rahalahy’. Hebreo 2:11
Mahafinaritra tokoa ny mieritreritra fa Andriamanitra dia tsy menatra ny amintsika, fa vao mainka aza isika nomeny zo ho tonga zanany (Jaona 1:12), satria nino ny Zanany Lahitokana ! Ary ny Tompo Jesosy ihany koa dia tsy menatra ny hiantso antsika hoe rahalahiny.
Raha tsy voasoratra mazava tao anaty Baiboly ireo teny ireo, dia mety ho nisalasala momba izany isika. Marina tokoa mantsy fa ny fiainantsika dia feno fibolisarana sy marimaritra iraisana ary fandavana, hany ka sarotra amintsika ny hino ireo fanambarana tsy misy fepetra ireo. Ny saintsika tery dia tsy afaka misandratra mba hahatratra ny fahasoavan’Andriamanitra, tsy tena takatsika ny halehiben’ny zavatra nataony ho antsika. Nomeny antsika ny toetrany masina sy marina, ary hitany ao amintsika ireo toetra lavorarin’ny Zanany.
Izany dia tsy tokony hitaona antsika tsy hiambina ka hanaiky ny fahotana eo amin’ny fiainantsika, na handefitra amin’izany. Mifanohitra amin’izany aza, mampirisika antsika Andriamanitra hoe : “Ho masina ianareo, satria masina Aho” (1 Petera 1:16). Isika ve tsy mba te hanao izay rehetra azontsika atao mba hahafaly Azy ?
Ary eo amin’ny fiarahamonina misy antsika, vonona ve isika hanaraka ny lalana nosoritan’i Jesosy Kristy, na dia mety hohenjehin’ny mpiara-monina amintsika aza isika noho izany ? Ny apostoly Paoly, teo amin’ny faramparan’ny fiainany, dia nanoratra ho an’i Timoty hoe : “Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho… Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika“ (2 Timoty 1:12, 8).
Dia ho menatra ve isika ny hiresaka momba Ilay tsy mba menatra ny amintsika ?