Asabotsy 4 Avrily 2020

... ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra. Hosea 5:15

(Hoy Jesosy :) Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo. Jaona 14:27

 

Indroa voampanga — indroa afaka

Talen’orinasam-barotra malaza iray i Philip. Tsara laza izy ary miaina fiainana mahafinaritra sy tsy misy olana. Tsy nila an’Andriamanitra izy…

Indro anefa fa nisy andian-jiolahy nanomboka nanafika sy nandroba ireo kamiaon’ny orinasa. Nosamborina tamin-kerisetra i Philip, ary voampanga ho lohan’io andian-jiolahy io. Tsy nanan-tsiny mihitsy anefa izy, ka dia ory tanteraka. Tany am-pialantsasatra ilay mpisolo vava azy, tamin’izay fotoana izay, ary nihataka taminy avokoa ny namany rehetra.

Mbola notanana vonjimaika izy no naharay alimanaka kristiana iray. Niteny tamin’ny fony Andriamanitra, tamin’ny hafatra isanandro nentin’io alimanaka io. Nisy mpitsara iray nandinika ny antontan-taratasy mikasika azy. Afaka niresaka taminy momba izay rehetra naha ory azy i Philip. Kristiana io mpitsara io, niresaka manokana taminy momba an’i Jesosy Kristy, Ilay hany Marina, maty hamonjy ny tsy marina, ary nitsangana tamin’ny maty.

Na dia tsy nanan-tsiny aza i Philip tao amin’izao raharaha izao, dia niaiky fa mpanota teo anatrehan’Andriamanitra ary mila an’i Jesosy mba hamonjy azy. Andro vitsivitsy tatỳ aoriana dia voaporofo fa tsy meloka izy, ka nivoaka ny fonja. Afaka indroa izy — nafahana tamin’ny fiampangana tsy ara-drariny sy tamin’ny fanamelohana ho mandrakizay.

“Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin’ny fonareo rehetra. Eny, ho hitanareo Aho, hoy Jehovah” (Jeremia 29:13, 14).