Zoma 3 Avrily 2020

Ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo. 1 Samoela 16:7

Fa tsy misy nafenina izay tsy haseho, na takona izay tsy ho fantatra. Lioka 12:2

 

Ao ambadiky ny saron-tava

Nisy vadintany iray nanao fiainana be nandritra ny folo taona … tamin’ny volan’ny olona nampanao asa azy. Indray maraina anefa dia tonga hisambotra azy ny mpitandro filaminana. Na dia fantatra ho mendri-panajana aza izy, tao amin’ilay tanàna kely nonenany, dia namitaka ny olona rehetra : ny mpampanao asa azy, ny mpiara-monina aminy, ny namany izay nanararaotra azy nalala-tanana, ary na ny vadiny sy ny zanany aza ! Naha te ho tia izy, nahay nihaingo, ary natoky azy raha vao nahita azy fotsiny. Kanefa izy dia nambotry olona maro izay nitahiry vola avy tamin’ny asan’izy ireo. Sarona ny hosoka, ka dia naiditra an-tranomaizina ilay mpangalatra.

Tsy tratran’ny fitsaran’olombelona ny olo-meloka rehetra ; ary indraindray koa dia olona tsy manan-tsiny no voaheloka. Fa ao kosa Ilay Iray tsy mba mety ho voafitaky ny endrika ivelany toa azo itokisana sy mahitsy, dia Andriamanitra. Na miseho ho tsara endrika toy inona aza ny olona iray eo anatrehan’ny mpiara-belona aminy, dia tsy haha voafitaka an’Andriamanitra, satria Izy dia mahalala tsara ny olombelona ary mamaky ny ao anatin’ny eritreritra sy ny fo.

Ary inona no vakiany ato anatiko sy ao anatinao ? Fiheveran-tena ho tsara ve ? na lainga ? na tsy fangorahana ? Sa kosa fibebahana sy finoana ?

Aoka isika tsy hatahotra io fijerin’Andriamanitra io, fa hitady izany aza ! Ka toa an’i Davida mpanjaka, dia aoka isika hangataka mandrakariva hoe : “Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko… Ary izahao na misy làlana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny làlana mandrakizay aho” (Salamo 139:23, 24).