Alakamisy 2 Avrily 2020
Avia hiara-mifaly amiko ; fa efa hitako ilay ondriko very ...
Avia hiara-mifaly amiko ; fa efa hitako ny farantsakely izay very. Lioka 15:6, 9
Tantaraina matetika amin’ny ankizy ny fanoharana mikasika ilay ondry very (Lioka 15:3-7). Namela ny ondry hafa ny mpiandry ondry, ka nandeha nitady azy. Hitany indray ilay ondry very, ka faly izy nitondra azy eny an-tsorony sy namerina azy ao am-bala. Avy eo dia nantsoiny ny namany mba hiara-mifaly aminy, noho ilay ondry hita indray. Io mpiandry ondry io dia Jesosy, Ilay Mpamonjy : nanolotra ny ainy hamonjy ny olona Izy, ary ankehitriny dia mitady ireo izay nania sy mahatsapa ny tenany hoe very.
Matetika ny Tompo no nasehon’ny kristiana tamina sary hosodoko hoe Ilay Mpiandry tsara. Toy izany no ahitana ny sariny sasantsasany eny amin’ireo fasana ambanin’ny tany any Roma.
Aorianan’io fanoharana voalohany io Jesosy dia mampiasa avy hatrany kisarisary iray hafa : ilay farantsakely very (Lioka 15:8-10). Io dia tsy biby intsony, ka hoe ho hita satria heno maneno ny feony, fa vy tsy misy aina, tsy mahalala ny manjo azy, tsy afaka hampahafatatra amin’izay mitady azy ny toerana nahalatsahany.
Ny olona miaina tsy manana fifandraisana amin’Andriamanitra dia tahaka ity vola vy very ity, tsy tonga saina amin’ny toerana misy azy. Lazain’ny Baiboly fa “maty” izy (Efesiana 2:1), amin’Andriamanitra. Toy izany ny olona milaza ho tsy manana filana ara-panahy, sahala amin’ny marary sasany mihevitra ny tenany ho salama tsara. Manontany tena angamba ianao hoe anisan’ireny ve ? Nefa na dia izany aza ny toerana misy anao, na tsy maniry kely akory hitodika amin’Andriamanitra aza ianao, dia asehon’io fanoharana io fa mitady anao ny Tompo, na tsy fantatrao aza izany. Antsoiny ianao hanatona Azy —anio dia anio, ary amin’ny alalan’izao fanoharana izao angamba.