Alarobia 1 Avrily 2020

Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy ; iza no hatahorako ? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko ; iza no hangovitako ? Salamo 27:1

Andriamanitra no itokiako ; ka tsy mba hatahotra aho. Salamo 56:11

 

Ny Baiboly dia miresaka momba ahy … sy momba anao (9)

“Matahotra aho !” Izany dia hiaka matetika miverina eo am-bavan’ny ankizy, ary ny tahotra dia fihetseham-po mibahana ao an-tsain’olon-dehibe maro. Matahotra olona nandrahona, matahotra ny lehibe mpifehy eo amin’ny asa fivelomana ; matahotra hiakatra fitsarana, matahotra aretina, matahotra ny hoavy ; matahotra fahafatesana…

Izaho koa, matahotra indraindray. Nefa nahita, ao amin’ny Baiboly, olona niresaka momba ny tahotra niainany… olona “raiki-tahotra indrindra” (2 Mpanjaka 10:4), olona “matahotra ka osa fo” (Deoteronomia 20:8), olona matahotra “ny horohoro nony alina” (Salamo 91:5). Ary ny fahafatesana ve moa tsy “ilay mpanjaka mampatahotra indrindra” (Joba 18:14), ho an’olona maro manodidina antsika ?

Nefa inona moa no antony hiresahana izany, raha tsy misy vahaolana ? Nanohy namaky ny Baiboly aho, ary nahita teny toy ny hoe : “Aza matahotra” (Fitomaniana 3:57) ; “Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho” (Isaia 43:1) ; “Aza matahotra… fa Izaho momba anao” (Asan’ny Apostoly 18:9, 10). Dieny any amin’ireo pejy voalohany, ny Baiboly dia maneho amintsika fa tokony hatahotra ireo vokatry ny tsy fankatoavantsika isika (Genesisy 3:10). Ary any amin’ireo pejy farany izy dia miresaka olona mihevitra fa ho afaka hidify tsy hifanena amin’Andriamanitra, rehefa maty : hevi-diso mamitaka tanteraka izany. Nefa lazain’ny Baiboly antsika ihany koa fa fony mbola fahavalo isika fahiny, dia “nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany” (Romana 5:10), dia Jesosy Kristy. Tia antsika Izy ka natolony mihitsy ny Zanany hisolo antsika, ary mikarakara antsika Izy ankehitriny, te hanampy antsika, te hanafaka antsika, na dia amin’ny tahotra aza. “Ka dia sahy manao hoe isika : ‘Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho’ ” (Hebreo 13:6).