Talata 31 Marsa 2020
Maty Kristy ... hamonjy ny ratsy fanahy. Romana 5:6
(Hoy Jesosy tamin’ilay jiolahy nohomboana :) Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. Lioka 23:43
Tamin’ny taona 1957 dia nisy tovolahy iray voaheloka ho faty noho izy namono olona, ary niandry tao am-ponja ny fotoana hanatanterahana ny didim-pitsarana. Nahazo fanabeazana kristiana izy, nefa nandà tsy hotsidihin’ny mpitondra fivavahana miandraikitra ny fonja. Irery izy tao anaty fanginana, feno tebiteby nandritra ny volana maro. Nony farany dia nekeny hampindrana boky azy ihany ilay mpitondra fivavahana. Namaky Baiboly izy nandritra ny volana maromaro, ary tatỳ aoriana dia novangiana namany iray fahiny, nanjary kristiana. Izao no nosoratany tao anatin’ny diariny : “Afa-po tanteraka aho, voavonjy na dia tsy nitady izany akory aza, noesorina tao amin’izao tontolo izao, satria very tao”.
Resy lahatra izy fa antsoin’Andriamanitra, ka tamin’ny fiafaran’izany vanimpotoana izany dia nanoratra hoe : “Niezaka ny hino tamin’ny alalan’ny saina aho ! Nefa tampoka teo, tao anatin’ny ora vitsy, dia nanana ny finoana aho, nanana fahazoana antoka tanteraka. Nino aho, ary tsy azoko hoe ahoana no nataoko hatramin’izay, mba tsy hinoana ! Namangy ahy ny fahasoavana, ka fifaliana lehibe, ary indrindra, fiadanam-po lehibe, no nanjary nameno ahy. Tao anaty fotoana fohy dia tonga nazava ny zavatra rehetra. Izany dia hafaliana tsapa niharihary ary tena nahery vaika, hafaliana toa tadiaviko loatra ho tsapa ankehitriny, nefa tsy ny fihetseham-po no zava-dehibe, fa ny finoana. Fantatro ankehitriny fa fahasoavana avokoa ny zava-drehetra, ary fantatro koa fa tsy mizotra mankamin’ny fahafatesana aho, fa mankamin’ny fiainana”.
Fiadanam-po tsy hay lazaina no nameno ilay tovolahy, nivavaka tsy nitsahatra nandritra ny alina alohan’ny hamonoana azy, amin’ny 5 ora maraina. Ny maha azo antoka ny finoany Ilay Mpamonjiny no nosoratany farany tao amin’ny diariny : “Afaka adiny dimy aho dia hahita an’i Jesosy…”