Zoma 14 Febroary 2020

Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon’i Jehovah, ary aza reraka, raha resy lahatry ny anatra ataony ianao... Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory ; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana, ho an’izay nanaovana azy izy. Hebreo 12:5, 11

 

Fihetsika manoloana ny famaizana

Ny voambolana hoe famaizana dia mifandraika amin’ny fanabeazana, amin’ny fikolokoloan’ny ray aman-dreny hamolavolany ireo zanany. Manafay antsika Andriamanitra, satria tena zanany tokoa isika. Mba hanampiany antsika hitombo amin’ny finoana, dia ampandaloviny toejavatra isan-karazany isika, ary mety ho satrotra izy ireny indraindray. Ahoana ny famaliantsika izany ?

Fihetsika telo no mety hitranga, manoloana ny famaizana :

— Manao tsinontsinona azy, izany hoe tsy manisy lanjany izany, ary mihevitra fa vokatry ny kisendrasendra izay zavatra mitranga. Ka tsy ahazoantsika tombony io famaizana io, nefa dia mampijaly antsika. Toy ny hoe zavatra novidintsika lafo, nefa tsy alaintsika akory.

— Kivy : Tsy Andriamanitra te hiasa ao anatintsika no hitantsika, fa mainka aza manomboka mampisalasala antsika ny fitiavany. Izy anefa tsy hampitondra antsika fizahan-toetra mihoatra noho izay zakantsika (1 Korintiana 10:13). Ny ray hendry, etỳ an-tany, mahay manafay ny zanany ; fa Ilay Raintsika any an-danitra dia mahay mihoatra lavitra noho izany (Hebreo 12:9-10).

— Ny manaiky ny fizahan-toetra no fihetsika tsara indrindra, ary amin’izay dia hahazoantsika tombony ny famaizana. Dia hihaino bebe kokoa ny Tompo isika. Matetika no tsapain’Andriamanitra amin’ny famaizana ny fatokiantsika Azy, mba hanamafisany izany. Tiany hampiana ihany koa isika hahafantatra ireo fahadisoantsika, ireo nahasolafaka antsika, ary izay antony nahatonga izany. Avelao Andriamanitra “handinika” antsika (Salamo 139:23) sy hanadio antsika. Dia ho hitantsika ny famaizan’Andriamanitra “mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana, ho an’izay nanaovana azy”.